Ny asabotsy atoandro teo no nitranga ny lozam-pifamoivoizana. Olona efa maty ary nosaroman’ny mponina manodidina lamba no hita eo antsisin-dàlana, teo Tsarasaotra Ivato. Nifandona tamin’ny fiara izy io raha araka ny fanamarihana teny an-toerana. Toe-javatra izay efa tsy dia mahataitra ny manodidina intsony satria efa maro loatra izay lozam-pifamoivoizana nahafaty olona, indrindra mpandeha moto, teo an-toerana. Efa betsaka ihany ny fepetra noraisina toa ny fanasiana dongona, ny fametrahana marika amin’ny làlana ary koa ny maro hafa kanefa mbola tsy mahasakana ny lozam-pifamoivoizana tsy hisy izany hatreto. Betsaka koa ny mpitandro ny filaminana izay naparitaka eny an-toerana, indrindra amin’ny fotiana maha-betsaka mpivezivezy eny amin’ny làlana. Hatreto anefa, vao lasa ireo dia efa malalaka indray ny làlana hisetrasetrana ho an’ny mpamily fiara sy mpanamory moto sasany. Ny hany fitaovana tsy ampy angamba dia ny fametrahana « caméra de surveillance » eny amin’iny làlam-be iny. Mba farafaharatsiny hamantarana ny tena anton’ny loza rehefa misy izany. Be loatra koa mantsy izay mitsoaka izay rehefa avy mandona olona.
D.R




