Mpitondra moto iray namoy ny ainy rehefa nifandona tamin’ny fiara iray, ny alin’ny alahady teo. Maty tsy tsa-drano ny raim-pianakaviana iray izay avy amin’ny tambajotra sosialy no nahafantarana ny momba azy. Nizara haingana ny zava-nitranga izay nahita teny an-toerana ary ora vitsy taorian’izay dia nohamarinin’ny akaiky azy fa i Hery Ny Rina ilay namoy ny ainy. Misehatra eo amin’ny famarotana kodiaran-droa izy raha ny fahafantaran’ireo olona mahay azy. Tafiditra tao ambanin’ilay fiara ny moto izay nentiny ary voatery nobataina an-tànana aza ilay fiara mba nahafahana namoaka ilay olona tao ambaniny. Indrisy anefa fa teo ihany dia hita fa efa tsy nisy aina intsony io farany. Betsaka izay namoy ny ainy teny amin’ny làlana Tsarasaotra izay. Efa betsaka koa izay fepetra noraisina izay, toa ny fanasiana dongona mampidina ny hafainganam-pandeha, ny fanasiana takelaka samihafa. Nandeha teo koa ny fanentanana maro samihafa ho an’ireo mpampiasa ny làlana. Saingy mbola tsy foana ihany ny lozam-pifamoivoizana. Ny tsikaritry ny maro dia mahazo vahana ny fivarotana zava-pisotro mahamamo eny an-toerana. Efa niakatra fitsaràna mihitsy ny famongorana ireo teo saingy mbola nihantona hatrany ny fampiharana ny didy momba izany. Dia mbola mijanona eo ary mitohy mivarotra toaka ny olona, tsy lavitra eo akory no misy ny mpitandro ny filaminana izay mandrindra ny làlana saingy tsy afa-manoatra. Jerem-potsiny arak’izany kanefa isan’ny fototry ny olana ny fisian’ny toaka ary saika ny fahamamoana hatrany no nitarika lozam-pifamoivoizana teny Tsarasaotra sy ny manodidina.
D.R



