Na dia efa ho herinandro maromaro tokoa aza izay no nahafaty voatifitra an’i Del kely ary nahavoasambotra ireo lazaina ho namany dia mbola tsy milamina iny distrikan’i Tsaratanana iny amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Ireo no votoatin’ny tafatafa nataon’ireo olobe, sefo fokontany ary ny lehiben’ny dina any amin’iny tapany atsimon’i Tsaratanana iny tamin’ny mpanao gazety tao an-drenivohitry ny faritra Betsiboka. Nambaran’izy ireo tokoa mantsy fa andro vitsy taorian’iny hetsika nataon’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana dia mbola nitrangan’ny fakana an-keriny ihany tany amin’ity distrika ity. Ary ny loza dia sady efa nahazo vola ireo dahalo no mbola maty novonoin’izy ireo ihany koa ilay takalon’aina. Mbola miaina tanteraka anaty tebiteby araka izany ireo mponina. Tsy io ihany moa no tranga nisy fa toe hoe mbola nisy maro hafa. Araka izay fanambarany izay dia voalazan’izy ireo fa misy vato misakana amin’ny filaminan’ny tanana any an-toerana. Ahian’izy ireo amin’izany ny mety ho fisian’ny tomponandraikitra mahita tombotsoa amin’izany ary mety ho mpiray tsikombakomba amin’ireo malaso mihitsy aza. Ankoatra izay moa dia nambaran’izy ireo ampahibemaso ihany koa fa efa misy olona iray fantatry ny rehetra fa mpiray tendro amin’ny dahalo, kanefa dia jerem-potsiny. Anisan’ny antony iray niakaran’ireto solontena ireto tao an-drenivohitry ny faritra rahateo moa ny fametrahana fitarainana sy fitoriana mahakasika izany olona izany. Namaranan’izy ireo ny tafatafa moa ny antso avo nataon’ireto solontenan’ny vahoaka ireto amin’ireo manampahefana isan-tsokajiny avy sy ny fanjakana mba hijery akaiky izay olan’izy ireo izay.
m.L