- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Mpividy volamena voakapa famaky, lasa ny vola 60 tapitrisa ariary

Tsaratanàna : Mpividy volamena voakapa famaky, lasa ny vola 60 tapitrisa ariary

Ny talata lasa teo, mpividy volamena roa be izao no indray notafihan’ny jiolahy tany amin’iny distrikan’i Tsaratanàna iny. Ny iray tao amin’ny toerana antsoina hoe Antsenavao, Morarano, ao amin’ny kaominina Sarobaratra. Naratra mafy voakapan’ny famaky ny iray tamin’ireo olona tonga hividy volamena any amin’iny faritra iny, ary lasa ny vola mitetina eo amin’ny 25 tapitrisa ariary eo ho eo. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina tany ho any no nitranga ity fanafihana ity, raha dahalo roa, nirongo famaky no nandroba an’ireo mpividy volamena handeha hamonjy tsena. Araka ny fampitam-baovao, dia vehivavy no namadika azy ireo. Satria ny sakaizan’ny iray tamin’ireto olona ireto, dia fantatra fa sipan’ny iray tamin’ireo olon-dratsy. Lasa nitsoaka niaraka tamin’ireo mpanafika moa ity kalavavy ity, rehefa vita ny asa ratsy nataon’izy ireo, ka lasany ny vola.

Ny fanafihana faharoa dia, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo,  tao Antampoketsa, kaominina Brieville, izay lalana anelanelan’Andriamena sy Beherana. Mpividy volamena efa-dahy indray teo no tratran’ireo olon-dratsy. Basim-borona indray no teny am-pelan-tànanan’ireo jiolahy, izay nentiny nampitahorana ireto efa-dahy ireto. Na dia roalahy monja aza ireo mpanafika, dia natahotra ny amin’ny ainy ireto efa-dahy ka nanome ny vola tany am-balahan’izy ireo. Mitentina eo amin’ny 35 tapitrisa ariary teo no very tamin’io fotoana io. Samy efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana misahana ireo faritra ireo tsirairay avy moa ireto tranga roa ireto. Raha ny mikasika ilay naratra kosa dia fantatra, fa efa nentina novonjena tany amin’ny hôpitaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici