- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversTsaratanàna : Renim-pianakaviana notifirina sy nokapaina famaky, teo imason-janany

Tsaratanàna : Renim-pianakaviana notifirina sy nokapaina famaky, teo imason-janany

Efa tsy mifaditrovana ! Renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy rehefa novonoin’ireo olon-dratsy nanafika ny tokantranony tamin’ny fomba nahatsiravina habibiana, ny sabotsy lasa teo, tany Isinko Tsaratanàna. Rehefa avy notifirin’izy ireo tsy nanany antra mantsy ity ramatoa ity, dia mbola nokapain’izy ireo  famaky ny lohany, hahatapitra ny ainy. Izany tranga mampihoron-koditra izany, dia nataon’ireo olon-dratsy teo imason-janany. Tsy vitan’izany anefa, fa mbola nanampatra ny mahabiby azy tany amin’ity farany ireto mpanafika. Nofirain’ireo tsy valahara tamin’ny famaky ihany koa io zanany io, ary naratra mafy. Izany rehetra izany anefa dia noho ny vola roa hetsy ariary tao an-tranon’izy mianaka ireto, izay lasan’ireo mpanafika. Tokony ho tamin’ny fito ora hariva teo no nitranga ilay fanafihana rehefa nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano iray ity ireo jiolahy. Avy hatrany dia ny basy  no niresaka ka io nahavoa ilay renim-pianakaviana io. Angamba mety ho fantapantatr’ilay tompon-trano ireo mpanafika ka antony nahatonga azy ireo hanapitra tanteraka ny ainy. Nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha moa ireo zandary tany an-toerana, ka tsy ela akory dia fantatra ny atidoha tao ambadik’izany. Rangahy iray monina amina fokontany iray tsy lavitra azy ireo, izay samy ao anatin’ny kaominina Isinko ihany no voalaza fa nahavanon-doza, ary efa voasambotry ny zandary. Mbola mitohy ny famotorana sy fanadihadiana ataon’ireo zandary amin’ity raharaha ity. Ilay zaza naratra kosa dia fantatra fa, efa nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ary efa nomena ny fitsaboana sahaza azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici