- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTsaratanana : Vehivavy roa lasa an-keriny, mitaky 200 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy

Tsaratanana : Vehivavy roa lasa an-keriny, mitaky 200 tapitrisa ariary ireo olon-dratsy

Ny faran’ny herinandro teo dia nisiana fakàna an-keriny indray tany amin’iny faritra Betsiboka iny. Tao amin’ny fokontany Morafeno ao amin’ny distrika Tsaratanàna dia vehivavy roa, 35 taona sy 20 taona no nalain’ireo dahalo an-keriny. Vola mintenina eo amin’ny 200 tapitrisa ariary teo no notakian’ireo olon-dratsy tamin’izany.

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo ho eo no niseho ity fanafihana niharo fakàna an-keriny, araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny zandary. Fitolahy ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io, izay nirongo basim-borona sy zava-maranitra isan-karazany. Ny tokantrano nisy ireto vehivavy ireto avy hatrany no nanaovan’izy ireo amboletra nidirana. Nentin’ny tahotra rahateo ireo tompon-trano ka tsy sahy nanohitra velively ireto mpanafika. Rehefa avy nandroaka izay zavatra sarobidy rehetra tao amin’ity tokatrano ity ireo olon-dratsy, izay niaraka tamin’ny vola iray tapitrisa ariary, dia nentin’izy ireo natao takalon’aina ny vehivavy roa. Taorian’ny fanafihana dia nifandray an-tariby tamin’ireo fianakaviana ireo olon-dratsy ary mitaky vola manodidina 200 tapitrisa ariary ho solon’ny famotsorana ireto andriambavilanitra.

Rehefa nisy ny fifandresen-dahatra sy ny ady varotra teo amin’ireo fianakaviana sy ny ireo mpaka an-keriny dia tapaka teo fa 10 tapitrisa ariary no omen’ireo mpitazona azy roa vavy. Ny alahady tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo no natao ny fifanakalozana tao amin’ny fokontany Amparihimaina. Rehefa azon’ireo olon-dratsy ny vola dia navotsotr’izy ireo, ireto vehivavy ireto. Avotra soa aman-tsara ary salama vatana sy saina izy ireo raha ny fampitam-baovao azo. Tsy nijanona teo moa ny raharaha fa niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana, niezaka nikaroka sy nanenjika ireo olon-dratsy. Mbola nitohy hatramin’ny omaly izany hazalambo izany nataon’ireo mpitandro filaminana izany.

Raha ireo terantany vahiny tokoa no lasibatry ny fakàna an-keriny aty an-drenivohitra, dia ireo mpandraharaha malagasy na ny fianakaviany indray no ataon’ireo dahalo hazalambo any amin’iny faritra Betsiboka iny. Tao anatin’iny herinandro nivalona iny dia efa trangana fakàna an-keriny telo no niseho tany an-toerana. Ny voalohany tao Andriba, izay marihana fa mbola tsy hita hatreto ilay mpandraharaha lasa an-keriny, ny faharo tao Maevatanana ary ity niseho tao Tsaratanana ity ny farany.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici