- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsena Behoririka : Finday Xiaomi 473 isa nogiazana

Tsena Behoririka : Finday Xiaomi 473 isa nogiazana

Sosotra ny olona raha niely ny feo fa misy fandrobàna indray.

Alakamisy, amin’ny andro antoandro no raikitra tampoka ny horakoraka sy fikasihan-tànana. Nisy feo niely fa misy mpitandro ny filaminana mandroba ireo tsena mpivarotra teknolojia vaovao. Vetivety dia tomefy olona teo an-toerana, indrindra ny manoloana ny Golden Rama. Voatery nitsoaka ireo voakasi-tànana noho ny fitsaram-bahoaka izay nanambana. Omaly dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny fampanoavana avy amin’ny alàlan’ny mpisolo toerana voalohany ny Tonian’ny fampanoavana. Nanampy azy koa ny talen’ny polisy ekonomika etsy Anosy. Nanazava izy ireo fa avy amin’ny fitorian’ny orinasa Xiaomi no niaingàn’ny fidinana an-tsehatra teny Behoririka. Nisy taratasy mazava mibaiko ny fisavàna sy fanagiazana ireo finday hosoka, mazava ho azy avy amin’ny fampanoavana ary manome alàlana ny polisy. Tsena dimy no voasava ary finday 473 no nogiazana. Mbola tokony nitohy ny fidinana an-tsehatra saingy teo anoloan’ny Golden Rama no nitranga ny olana. Nisy ny polisy voadaroka. Ireo farany dia nanao fanamiana sivily nandritry ny fanadihadiana nataony teny an-kianja. Izany koa anefa dia toa mainka nampitombo ny ahiahin’ny olona, indrindra taorian’ny fisian’ilay fanafihana nataon’ny miaramila maromaro vao tamin’iny herinandro iny koa. Na izany aza dia nanamafy ny manam-pahefana fa tao anatin’ny lalàna tanteraka raha ny momba ny tranga teo Behoririka. Nampanantsoina ary nanokafana fanadihadiana ireo lehiben’ny toeram-pivarotana hosoka maromaro. Behoririka tokoa dia renivohitry ny fivarotana hosoka entana samihafa saingy orinasa iray aloha no sahy nitory hatreto.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici