Tato ho ato, dia mandeha ny feo momba ny tsy fisian’ny fandriampahalemana eny Tsiadana. Tsy vitan’ny manendaka, fa tena midaroka mihitsy ireo jiolahy amin’ izany. Manaporofo izany ity niseho teny amin’iny manodidina ny Espace Dera iny, tsy lavitra ny Restaurant Ravimpotsy, ny sabotsy alina teo. Tanora eo anelanelan’ny 20 ka hatramin’ny 24 taona eo, efatra no nanao tambabe tamin’ity Zoky lahy anankiray ity, ka nandavo ity farany mba hakana ny finday teny an-tànany sy ny vola tao am-paosiny ary ny sakaosy mainty nentiny.
Olona manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ity niharam-boina ity ary omaly ihany izy, dia efa nametraka fitoriana teny amin’ny Kaomiseran’ny Boriborin-tany faharoa eo Ambohijatovo, satria misy boky, taratasy fiantsoana, valin-kevitry ny HCC ary carte de visite sy badge amin’ny anarany tao anatin’ny sakaosy mainty lasan’ireto mpanendaka. Fa indrindra momba ny finday izay very, dia isan’ny tena raitra sy misy vaovao maro tokoa. Tovolahy telo lahy no tafaraka taminy, ka ny iray nitazona « baton » no mody nifampiresaka, hay nisy tovolahy fahefatra tany ao aoriana mody niantso hoe « vonjeo, fa nisy nanendaka aho » ; dia nitodika ny rehetra. Hay fandrika io handavoana an’ilay Zoky, izay niezaka nanohitra, saingy nalemy ihany rehefa voakapoky ny hazo ka nianjera ary mbola nampiana kapoka ihany ka nendahina tamin’izay, izay tian’ireo jiolahy rehetra.
Matetika miseho eny amin’iny faritra iny izao toe-javatra izao, hoy ny mponina eny an-toerana. Ny mampalahelo anefa, dia mba nasiana toby Polisy eo akaikin’ny hôpitaly « Mpitsabo Mikambana », nefa tsy nahitana mpitandro filaminana akory tao tamin’io saboty alina io. Tarihina ny sain’ny Mpitandro filaminana sy ny fokontany Tsiadana ary ny Kaominan’Antananarivo Renivohitra, indrindra ny Jirama, satria haizina no hita amin’iny làlana iny rehefa alina ny andro.
T.M.