- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTsiadana : Dimy lahy nanafika « kiosque », olona iray maty voatifitra

Tsiadana : Dimy lahy nanafika « kiosque », olona iray maty voatifitra

Nihorohoro ny teny amin’iny faritra Tsiadana iny,  omaly antoandro. Nirefodrefotra ny basy, ary nanakoako hatreny amin’ireo faritra manodidina. “Kiosque” iray teny an-toerana, izay mpaninjara vola amin’ny finday, ary rantsana fakana sy fandoavam-bolan’ny orinasa mpampindram-bola iray no niharan’ny fanafihan-jiolahy. Lasa tamin’izany ny vola mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary teo, niampy solosaina fentin-tànana iray sy finday iray. Tao anatin’izany savorovoro izany dia fantatra fa nisy tovolahy iray namoy ny ainy, voatifitr’ireo olon-dratsy, raha izy ireo an-dàlana handeha hitsoaka iny. Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany teo ho eo nitrangan’ity fanafihana ity, araka ny filazan’ireo mponina manodidina. Manodidina teo amin’ny dimy teo ireo olon-dratsy, nirongo basy sy zava-maranitra. Ny telo tamin’izany ihany no niditra tao amin’ilay mpaninjara vola amin’ny finday, fa ny roa niandriandry tety ivelany ilay toerana. Teo anatrehan’ny fandrahonana sy ny ambana basy nahazo azy, dia tsy afa-nanoatra ilay lehilahy tao anatin’ilay toeram-pivarotana, fa nanome izay vola rehetra tao. Tsy vitan’ny vola ihany anefa no nentin’ireo olon-dratsy fa mbola naka ireo fitaovana eletronika lafovidy tao amin’ity toerana ity ihany ireo olon-dratsy ireto. Nitsoaka avy hatrany izy ireo vao azony vola. Tao anatin’izay fitsoahany izay no nirefotra voalohany ny basy, izay raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso hatrany dia nikendry ilay olona tao amin’io toerana, saingy tsy voa ity farany. Tsy nihanona nijery fotsiny ireo fokonolona nahita fa niroso avy hatrany tamin’ny fananjehana ireto olon-dratsy ireto. Ka teny an-dalam-pitsoahana, nobahanana tovolahy ny lalan’izy ireo. Tsy am-pisalasalàna fa avy hatrany dia noleran’ireto jiolahy tamin’ny sabatra ity olona nanakantsakana ny fitsoahan’izy ireo ity. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nirefotra fanindroany ny basy, izay nivantana teny amin’ilay tovolahy. Lavo niaraka tamin’izay ity farany. Nahita ny habibian’ireto olon-dratsy ireo mpanenjika ka nijanona ary nanavotra ilay voatifitra saingy indrisy fa tsy nisy azo natao intsony. Andiana pôlisy maromaro, avy amin’ireo voahofana manokana amin’ny asan-jiolahy maherIvaika toy ity nitranga ity no nanohy ny fanarahan-dia ireto olon-dratsy, fotoana fohy taorian’ilay fanafihana, rehefa nampandrenesina avy hatrany izy ireo. Raha ny fanazavàna azo, dia nitsoaka nihazo iny lalana Ambolokandrina iny ireto olon-dratsy ireto. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola manohy ny fikarohana sy ny savahao izay toerana mety hisy azy ireo, ny mpitandro filaminana. Ny sampana misahana ny heloka bevava etsy Anosy kosa no mandray an-tanana ny raharaha.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici