vendredi, mai 23, 2025
AccueilFaits-DiversTsiafahy : Notifirin’ny jiolahy ny tompon-trano

Tsiafahy : Notifirin’ny jiolahy ny tompon-trano

Folo lahy raha vitsy indrindra, satria ireo no hitan’ny tao an-trano, no nanafika fianakaviana iray monina etsy amin’ny fokontany Mananjary, distrika Atsimondrano. Tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina, omaly, no nigadona teo ireo olon-dratsy izay nitazona basy fohy sy sabatra ary koa fitaovam-piadiana hafa. Novakiany ny varavarana ary niditra an-keriny tao an-trano izy ireo. Tsy nisalasala izy ireo nitifitra ny rangahy iray 35 taona izay naratra mafy rehefa voa teo amin’ny tanany. Tsy nisy sahy namaly intsony ny tao an-trano ary nanaiky izay baikon’ny olon-dratsy mba ho fiarovana ny aina. Nomena azy ireo izay mba vola tahiry tao an-trano. Mitentina 500 000 ariary izany raha ny tatitry ny zandary. Lasa koa ny finday samihafa izay fampiasa andavanandro. Adiny roa mahery taty aoriana vao tonga teo an-toerana ny mpitandro ny filaminana satria izay izy ireo vao nahazo antso momba ity fanafihan-jiolahy ity. Noezahina natao ihany ny fisafoana ny manodidina saingy efa tsy nisy hita intsony izay nanjavonan’ny mpanafika. Raha ny fahitàn’ny olona ny fitsoahan’ireo dia nizotra nianavaratra, izany hoe niakatra aty an-drenivohitra ny lalan’ireo olon-dratsy. Notsaboina ny naratra ary nosokafana ny fanadihadiana. Isan’ny faritra mena ao Atsimondrano  manodidina an’i Tsiafahy iny. Marobe hatrany ireo indray manafika ary mitazona fitaovam-piadiana. Betsaka no efa nitondra takaitra. Ankoatra ireo voatifitra amin’ny basy mantsy dia nisy koa ny vehivavy izay efa voaolana nandritry ny fanafihan-jiolahy. Tsy lavitra an’andrenivohitra i Tsiafahy fa kosa mbola lavitra ny mpitandro ny filaminana akaiky indrindra izay miandraikitra iny toerana iny. Avy any Ambatofotsy no miainga ny mpamonjy vonjy taitra. Azo sary an-tsaina amin’izany ny elanelana. Indrindra koa raha azo ara-potoana izy ireo vao mety hifanonjo amin’ny jiolahy. Malakaka be iny kaominina iny ary efa hain’ny olon-dratsy ny làlana aleha izay mety hampananosarotra ny fanarahan-dia. Mila jeren’ny tompon’andraikitra ny vahaolana satria lasa mora loatra ho an’ny olon-dratsy ny manatontosa ny asany…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici