Ireo fianakaviana handeha handevina no nahatsikaritra fa efa nivoha sahady ny fasana. Rehefa nojerena akaiky ny tao anatiny dia hita fa very avokoa ny taolam-balon’ireo razana miisa sivy tao. Miverina indray ny halatra taolam-paty. Ny andron’ny alatsinainy, tao anatin’ny andro nahatsiarovana ireo efa maty mihitsy, no nitrangana vaky fasana tao amin’ny kaominina Tsiafahy. Fasana iray teo Kelisoa, fokontany Ambatolokanga no nisy namaky tamin’ny fotoana tsy fantatra. Tamin’io fotoana io mantsy, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia tonga handevina tany an-toerana ny fianakaviana. Hataraina ny azy ireo satria efa nivoha nidanadana ny varavam-pasana talohan’ny fahatongavan’ireo mpiady fasana. Nampandresina avy hatrany ny tomponandraikitry ny tanàna, izay nampilaza ny zandary haingana. Nidina teny an-toerana ireto farany ary niaraka tamin’ny fianakaviana nijery ifotony ny zava-nisy. Indrisy tokoa fa efa voakorontana ambony ambany ireo razana sy ny lamba rehetra tao. Lasan’ireo tsy valahara avokoa izay mety ho taolana rehetra tamin’ireo razana maina niisa sivy tao anatiny. Tsy nisy niangana ankoatry ny karandoha sisa, hoy ny vaovao. Satria moa nanam-pahoriana ireo lasibatra dia nasaina nalamina ireo lamba ary afaka niroso tamin’ny fandevenana izy ireo. Nosokafana kosa ny fanadihadiana teny anivon’ny zandary, hitadiaviana ireo olon-dratsy, ary ny zana-tobim-paritry ny zandary ao Ambatofotsy no miandraikitra izany.
m.L



