- Publicité -
vendredi, juin 20, 2025
AccueilFaits-DiversTsihombe Androy : Mpandeha iray maty tsy tra-drano, am-polony naratra mafy

Tsihombe Androy : Mpandeha iray maty tsy tra-drano, am-polony naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana telo samihafa izay namoizana ain’olona tsy manan-tsiny no nitranga tany amin’ny Distrikan’i Tsihombe Androy, ny alakamisy sy ny zoma teo. Vokatry ny taingim-be sy fandehanana mafy ary fahamamoan’ny mpamily, dia taksiborosy iray mampitohy an’i Tolagnaro sy Toliara no nivadika tamin’ny RN10, 13 km tsy hidirana ny tanànan’i  Tsihombe, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo, ka mpandeha iray maty tsy tra-drano, ary am-polony ireo naratra mafy ; izay mbola miady mafy amin’ny fahafatesana ankehitriny ny ankamaroan’izy ireo. Fa ny zoma teo kosa tamin’ny folo ora, tao Atreake Tsihombe fiarabe mpitatitra olona sy entana iray nivadika vokatry ny fandehanana mafy hatrany, ka mpandeha am-polony no naratra mafy. Noho ny fandehanana mafy izay hatrany, dia fiarabe fitateram-bahoaka iray avy any Toliara hihazo an’i Tolagnaro no nivadika tao Tsivorikely 15 km tsy hiditra an’i Tsihombe, ny alakamisy teo, tamin’ny fito ora hariva. Manoloana ny firongatry ny lozam-pifamoivoizana mahazo laka any an-toerana vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily, dia mangataka ny fanasaziana faran’izay mafy sy hentitra an’ireo saofera mamoa-doza ny mponina.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici