- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversTsihombe : Zaza telo maty, may kila tao anaty hain-trano

Tsihombe : Zaza telo maty, may kila tao anaty hain-trano

Hain-trano mahatsiravina no nitranga tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Belitsake, kaominina Marovato, distrika Tsihombe, ny alin’ny talata hifoha alarobia teo. Aina  telo be izao no indray nafoy tao anatin’izany, raha ny fampitam-baovao azo. Zaza avokoa izy ireo.

Raha ny fanazavana azo avy tamin’ny zandary tany an-toerana dia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo no nitranga ity hain-trano ity. Niezaka nifarimbona tamin’ny famonoana ny afo ireo rehetra tany an-toerana ary namonjy ireto ankizy tavela tao. Tsy nisy afa-tsy izy ireo, ankizy efatra no natory tao amin’io trano niaingan’ny afo, izay marihana fa tao amin’ny lakozia. Ny vaovao azo tamin’ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana hatrany moa no nahalalana fa voarain’ny afo tamin’izany ny “moustiquaire” nisaromaron’ireto ankizy natory ireto, ary izay no nihitatra nihazo ny tafo ary nandrehitra ny trano nony avy eo. Heverina araka izany fa mety ho mbola nisy afo tavela tao am-patana, antony nampirehitra ilay lay. Ny roa tamin’ireto zaza ireto no tsy avotra intsony noho ny famaizan’ny vatany iray manontolo. Ny roa kosa, mbola nisy aina, na dia teo aza ny fahavoazana be nahazo azy ireo ka nezahina nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana, tao Tsihombe. Indrisy

anefa fa noho izay fahamaizana nahazo azy izay dia tsy tana intsony ny ain’ilay ankizy faharoa, na dia teo aza ny fiezahan’ireo mpitsabo namonjy azy. Tafakatra telo araka izany no namoy ny ainy tamin’ity hain-trano ity.

Voafehin’ireo fokonolona sy ny tompon’andraikitra tany an-toerana ihany moa ny afo, ora vitsy taorian’ny nitrangan’izany. Efa manokatra ny fanadihadiana kosa ireo mpitandro filaminana any an-toerana, etsy andanin’izay.

Tsiahivina fa vao andro vitsy lasa ihany koa izay no nisy tranga tahak’ity tao Alatsinainy Bakaro, distrikan’Andramasina. Ankizy telo ihany koa no namoy ny ainy tao anatin’izay hain-trano izay. Ary vokatry ny loza tsy nahy tahak’izao, na azo sokajiana ho tandrevaka avy amin’ireo olon-dehibe ihany koa no nahatonga ny loza.

m.L

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici