- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Fivarotana roa vaky, moto halatra iray tratra

Tsimbazaza : Fivarotana roa vaky, moto halatra iray tratra

Ny alin’ny alatsinainy, tokony ho tany amin’ny 12 ora, trano fivarotana roa teny Tsimbazaza no fantatra fa nisy namaky. Toa tsy nisy nahare mihitsy ny manodidina ka dia nanaram-po ireo mpangalatra. Lasa tamin’izany ny vola hitany tao amin’ireo tsena ireo. Nentiny koa ny finday sy ireny “credit”  amidy ireny. Tsy vitan’izany fa nitondra entam-barotra koa ireo mpandroba. Raha nahazo an’izany izy ireo dia lasa nandeha. Rehefa nidina nihazo ny arabe anefa ry zalahy dia sendra ireo mpamily taxi maro miandry olona eo. Nahatsikaritra ireo fa avy namaky trano ireo bandy ka tonga dia nisy nandrahona nanao hoe “tifirinay amin’ny basy ianareo”. Raha vao nahare izany ireo olon-dratsy dia navelany teo ny entana ary lasa nandositra izy ireo. Efa nisy nampandre ny fisehoan-javatra ny mpitandro filaminana ary tonga teny an-toerana. Fotoana fohy taorian’izany, nisy olona roa nandalo teny an-toerana nanosika moto. Raha vao nahita ireo polisy ry zalahy dia navelany teo ilay moto ary lasa nandositra. Voalazan’ny vaovao fa nitovy ny lalana nandosiran’ireo mpamaky fivarotana sy ireo nanosika moto, samy tany an-tanimbary. Tsy hita intsony ny nalehany avy eo. Nojerena ilay moto ka tsy nety novelomina mihitsy. Angamba koa tsy hain’ireo nanosika azy ny nampandeha ity kodiran-droa ity. Tonga moa dia nentin’ny mpitandro filaminana io moto io.

Nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici