- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversTsimbazaza : Vehivavy hita faty nihantona teo amin’ny fefy

Tsimbazaza : Vehivavy hita faty nihantona teo amin’ny fefy

Raha mbola mitana ny sain’ny maro amin’izao ny mahakasika ilay raharaha fahitàna fatim-behivavy iray nihantona tetsy Andraisoro dia nitrangana toraka izany ihany koa tetsy Tsimbazaza ny sabotsy lasa teo. Vehivavy iray manodidina ny 50 taona any ho any no hitan’ny olona nihantona teo amin’ny fefy vy manamorona ny sisin’arabe. Hatairana avokoa ny an’ny rehetra nahita ity seho ity ary nampiantso haingana ireo tompon’andraikitry ny filaminana, izay tonga avy hatrany teny an-toerana. Araka ny fanazavàna azo dia efa tsy nisy aina intsony ity vehivavy hita nihantona ity, rehefa nanao ny fitiliana ireo tompon’andraikitra. Nahenoana fofon-toaka ihany koa izy io. Hatreto dia tsy fantatra mazava ny antony ny nahatonga ny fahafatesan’ity ramatoa ity. Nisy namono sa namono tena ? Voalaza mantsy fa isan’ireo olona tsy manan-kiafolana izy ary hitan’ny olona matetika mirenireny eny amin’ny manodidina. Tsy fantatra kosa hatreto izay havany na fianakaviany. Na izany na tsy izany anefa dia efa nandray an-tanana ny fanadihadiana ireo tompon’andraikitra amin’izany. Taorian’ny fizahana dia tonga naka ny razana teny an-toerana ny avy eo anivon’ny Bmh ary nanatitra izany any amin’ny tranom-patin’ny Hjra.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici