- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversTsinjarafa-Marokoro : Volamena eran’ny sahafa isam-bolana no lasan’ny teratany vahiny

Tsinjarafa-Marokoro : Volamena eran’ny sahafa isam-bolana no lasan’ny teratany vahiny

Tompony mangataka ny atiny eo ambony harena ny ankamaroan’ny Malagasy ankehitriny noho ny fibodoana sy hetraketraka ataon’ireo vahiny mangoron-kareana amin’ny tsy ara- drariny eto amintsika. Mampiaka-peo ankehitriny ireo vahoaka leom-banana any amin’ny fokontany Tsinjarafa, kaominina Marokoro, disitrikan’i Maevatanàna, amin’ny fanararaotan’ireo teratany vahiny, izay jeren’ny tompon’andraikitra fotsiny. Raha ny fantatra mantsy dia nahazo fifanarahana mitrandraka volamena 11 taona any an-toerana ireo kelimaso. Eran’ny sahafa isam-bolana ny volamena ao Tsinjarafa, kanefa hatramin’ny kaominina iaingany tsy misitraka tam-beribidy. Tsy vitan’izany fa hatramin’ny tanimbolin’olon-tsotra lonaka sady mahavokatra mbola miampy fitrongisana fasana any amin’ny fokontany Anosikely atsimo, kaominina Maevatanàna voalohany dia bodoan’ireto teratany vahiny. Misy andian’olona voakarama any amin’ny fokontany Antafia izay manery ny olona tanteraka amin’ny tsy maintsy hivarotana ny taniny amin’ny teratany vahiny, fa raha tsy mivarotra izany izy ireo, dia tsy maintsy halain’ny teratany vahiny ihany ny taniny. Misy ireo tantsaha sasany matahotra ny ho very vola kely  ariary fito isaky ny m² no ivarotany azy, ary efa tany maherin’ny dimy arivo hekitara izao no lasan’ny vahiny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Misy amin’ireo olona voafitaka ankehitriny no mitady lalana mba hamerenana ny taniny. Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra ataon’ny fanjakana amin’ity raharaha ity dia ahiana hiteraka korontana sy ady no hiafarany raha ny tati-baovao voarainay. Manoloana izany indrindra dia nanatanteraka fivoriam-be tao amin’ny lapan’ny tanàna eto Maevatanàna ny Zoma hariva teo  ireo tangalamena amin’ny tsy fankasitrahana ny fitrandrahana volamena ataon’ireo teratany vahiny ireo. Vaky bantsilana tamin’izany ny fanomezan’ny teratany vahiny vola manodidina 50 tapirisa ariary ny fitondrana nandritra izay dimy taona lasa izay, mba hoentina hamarotana ny tanindrazana, hoy hatrany ny  depiote nahavita  Atoa Henry raha nitafa taminay.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici