- Publicité -
jeudi, juin 19, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Fanafihan-dahalo, olona efatra maty

Tsiroanomandidy : Fanafihan-dahalo, olona efatra maty

Telo no maty tamin’ireo fokonolona, iray kosa ny tany amin’ireo dahalo. Omby 141 kosa no lasa. Ireo no vokatry ny fanafihan-dahalo nitranga tao Antshalava, distrika Tsiroanomandidy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Namaivay izay tsy izy ny fifandonana teo amin’ny dahalo izay tonga nanafika tao amin’ny tananan’Andisipake, fokontany Beambiaty, sy ireo fokonolona izay tsy nanaiky lembenana. Araka ny fampitam-baovao azo dia dahalo nahatratra teo amin’ny telopolo lahy teo no nanafika io tanana io. Basim-borona 29 no teny am-pelan-tanan’izy ireo niaraka tamon’ny basy kalach iray. Nirefodrefotra ny basy. Maty tsy tra-drano vokatr’izay ny tompon’omby sy ny olona roa hafa. Nisy telo kosa naratra. Tetsy an-danin’izay kosa anefa dia nisy iray tamin’ireo dahalo no matin’ireo fokonolona sy ny zazamainty. Na izany aza anefa dia tsy nahery tosika ny fanafihan’ireo malaso ireo fokonolona ka lasa ihany ny omby niisa 141. Taorian’ny fitsoahan’ireo olon-dratsy dia nampandrenesina ny zandary izay avy hatrany dia nandeay andraikitra, nanao sahavao sy sakana tamin’ireo kizo tany an-toerana. Nisy sasany tamin’izy ireo kosa, zandary sy fokonolona ary nampian’ireo miaramila avy amin’ny BIA, no avy hatrany dia nanao ny fanarahan-dia. Vokany, tsy ela dia nifankatratra ireo mpanara-dia sy ireo dahalo. Nilavo lefona avy hatrany moa ireto farany rehefa nahita ireto mpitandro filaminana ary azo teny am-pelan-tananan’izy ireo ny omby 134 isa. Fantatra kosa fa ireo omby fito ambiny dia maty sy novonoin’ireto malaso ireto teny am-pitsoahana. Na dia azo aza moa ny omby dia mbola manohy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici