- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Fibodoana tany, nihetsika ny mponina

Tsiroanomandidy : Fibodoana tany, nihetsika ny mponina

Mahatsapa ho hiharan’ny tsindry azo lena sy fanararaotam-pahefana ireo zanaka Atsimo monina any amin’iny distrikan’i Tsiroanomandidy iny. Resaka tany eto ilay raharaha. Ben’ny tanana iray sy ny sefo fokotany any an-toerana no voalazan’izy ireo fa ambadik’izany ka nanaovan’izy ireo hetsika ny faran’ny herinandro teo, ho fanairana sy hanaovana antso avo amin’ireo tompon’andraikitram-panjakana isan-tokony. Ny zava-nisy : misy tany mitondra ny reference FN:13_0/88, ao amin’ny fokontany Avaratsena, distrikan’i Tsiroanomandidy. Io tany io, izay voalaza fa tanim-panjakana dia nambaran’ireto zanaka Atsimo ireto fa efa nohajarian’izy ireo amam-polon-taonany maro, nanomboka ny taona 1988 tany ho any. Efa niroso tamin’ny fangatahana izany izy ireo tamin’izany fotoana izao ary manana ny antonta-taratasy rehetra sy nanaja ny antanan-tohatra tokony handehanana. Efa azo lazaina araka izany fa efa nisitraka tanteraka ny zo teo amin’ity tany ity ireto olona ireto. Ny nampalaelo anefa, raha nanao foto-drafitrasa teo amin’izany toerana izany ireto olona ireto dia « namoahana didy avy eo anivon’ny kaominina fa hoe tsy manara-dalàna, ary tokony hatsahatra avy hatrany ». Tsy vitan’izay fa rehefa mba nitaky ny zony ary mba niezaka nikarakara izany tany ireto olona ireto dia mahatsiaro ho voarirarira sy voakatom-bavaravarana eny anivon’ny kaominina. « Efa olona telo samihafa ihany koa no namarotana ny tany ao avaratsena, izay niraisin’ny ben’ny tany ao Tsiroanoamandidy. Rehefa anay ny mikarakara dia asiana olana fa rehefa olon-kafa dia mandeha ho azy. Izahay efa tamin’ny taona 1988 fa ny an’ny sasany taona 2021 » hoy izy ireo. « Rehefa izahay atsimo ve dia tsy mahazo tany ? ka tsy rariny izany ary hijoro izahay ary tsy hanaiky satria hafatra napetran’ny ray amandreninay ny fananany io tany io fa noho ny tsindry sy fanaparam-pahefana dia nilefitra izy na dia nanamaintimolaly ilay toerana aza » hoy ny zanaky tompokolahy Reitinony izay tompon’ny toerana. Izay toe-javatra izay moa no nahatonga ireto olona ireo nanao ity fihetsiketsehana sy fangatahana ity tao Tsiroanomandidy. 

Nangonin’i m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici