Jiolahy iray nitam-piadiana, voalaza fa migadra 36 volana tokony mbola mamita ny saziny any am-ponja, nefa tafavoaka ivelan’ny fonja nitazonana azy, no nanafika tokantrano iray niaraka taminy namany voafonja ihany koa, ny alin’ny 15 jolay lasa teo, ka namoy ainy nandritra ny fanafihana ny tompon-trano. Taorian’ity vono olona nahatsiravina ity, dia nametraka fitoriana tany amin’ny mpitandro filaminana ny havan’ny maty, ka noho ny fanomezam-baovao mari-pototra avy tamin’olona tsara sitrapo ny polisy, ary rehefa nokarohina andro maromaro ireo olon-dratsy, dia maty voatifitra ny alin’ny roa aogositra teo, tokony ho tamin’ny valo ora, tao Avaratsena Tsiroanomandidy, renivohitry Faritra Bongolava, ny iray tamin’ireo jiolahy, raha naratra mafy ny faharoa.
Gadralava. Ity farany moa dia mbola afaka nandositra tao amin’ny fonja nitoerany ny alina iny ihany, izay tsaboina ao hatramin’izao. Nony narary ny andro, dia samy nijery an’ity olon-dratsy maty voatifitra ny olona, ka teo no nahafantarany fianakavian’ny maty izay sahy nijoro vavolombelona, fa ity jiolahy lavon’ny balan’ny polisy ity no nanafika azy ireo. Araka ny loharanom-baovao, dia voafonja afaka mivoaka manao raharaha ety ivelany ireto jiolahy gadralava roa ireto. Tato anatin’ny iray volana moa, dia nirongatra izaitsizy ny asan-jiolahy sy fanafihan-dahalo mitam-piadiana mahery vaika mampihoron-koditra ny maro ao an-drenivohitry Tsiroanomandidy sy any amin’ny Faritra Bongolava.
Eric Manitrisa