Lehilahy iray tokony ho 43 taona no maty voatifitra ny sabotsy lasa teo tao Kiranomena, distrika Tsiroanomandidy. Araka ny tatitra azo dia miaramilan’ny Das tany an-toerana no tompon’ny basy ary voatifitra tsy nahy ingahirainy io, izay marihana fa mamo tamin’izay fotoana izay. Raha ny zava-nitranga, araka ny fampitam-baovaon’ny zandary hatrany dia, nisy fivoriam-pokolona tao amin’ny fokontany iray antsoina ho Mangavilany tamin’io sabotsy hariva io. Nizotra nilamina izany fivoriana izany, mandrapaha tongana lehilahy iray izay efa avy nisotro sy mamomamo avy any. Tsy nisy resaka fa avy hatrany dia ny haka ny basy kalach teny am-bozonan’ity miaramila ity ny tao an-tsaina. Vitany mihitsy no nitolona avy hatrany ity mpitandro filaminana. Nentiny dona mafy dia niara-nianjera izy roalahy ka voapotsitra tsy nahy ny fanapoahana ilay basy. Nirefotra indray mandeha ilay fitaovam-piadiana. Soa ihany anefa tamin’izay fa tsy nisy ny voan’ny bala. Voatery nandray andraikitra avy hatrany ireo tompon’andraikitra teo nandrava ny fivoriana. Mbola tsy afa-po tamin’ny efa nataony anefa ity rangahy mamo ity fa mbola niverenany notolomina indray ilay miaramila. Ary niverina nipoaka fanindroany ihany koa ilay basy, izay nahavoa ity rangahy ity no niafaràny. Voan’ny bala teo amin’ny ila-kibony izy ary maty tsy tra-drano. Fitia te hamono tena mihitsy sa inona no tena tao an-tsain’ity rangahy ity ? Tsy fantatra hatreto aloha fa taorian’io tranga io dia efa nisy ny fidinan’ny zandary sy ireo lehiben’ity miaramila ity ary ny dokotera nizaha ifotony sy nanantateraka ny fanadihadiana tany an-toerana.
m.L