Nitangoronan’ny olona ilay miaramila ary narovan’ireo ilay mpampianatra. Rehefa hitan’io mpitandro ny filaminana io fa ho ratsy ny raharaha dia napoakany tamin’izay ny basy teny aminy. Nirohotra mantsy ny fokonolona ary etsy andanin’izany dia nirotsaka an-tsehatra koa ireo « zazamena ». Mpikambana eo anivon’ireny dinabem-piarahamonina ireny no antsoina hoe zazamena. Naratra ilay miaramila ary naratra koa ilay mpampianatra. Tezitra ny olona ary raha tara kely ny miaramila mpiara-miasa amin’ilay iray dia asa izay nitranga teo. Nalain’io miaramila faharoa io avy hatrany ny basy teny amin’ilay namany efa naratra ary nentiny niala teo an-toerana io farany. Efa tonga koa ny zandary izay nandamina ny raharaha ary dia voafehy ihany ny olona izay tezitra tanteraka. Tany amin’ny fokontany Mandrosoa, ao anatin’ny kaominina Belobaka, distrikan’i Tsiroanomandidy no nisehoan’ity tranga ity ny harivan’ny alatsinainy teo, manodidina ny tamin’ny fito ora. Samy nentina notsaboina tao amin’ny CSB2 tao an-toerana izy roa lahy izay niandohan’ny ady. Vita izay dia dia nampiakarina tany amin’ny hopitalin’i Tsiroanomandidy ary nanokafana fanadihadiana avy hatrany raha vao vita ny fitsaboana voalohany. Miaramila izay miasa eo anivon’ny tobim-paritra iraisana ao Tsiroanomandidy ireo roa lahy izay kilasy faharoa sy kaporaly. Ny filoham-pokontany no nampandre ny zandary izay nidina an-tsehatra nanao ny fandaminana. Samy nanaovana fanadihadiana na ilay miaramila na ilay mpampianatra ankehitriny.
D.R