Tsy ny omby ihany no ataon’ny dahalo lasibatra any amin’iny faritra Bongolava iny fa na hatramin’ny kisoa aza. Omaly, olon-dratsy efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana, nampitondra faisana olona maro tany amin’iny faritra Bongolava iny no namoy ny ainy vokatry ny fifandonana teo amin’ny roa tonta.
Talohan’io fotoana io mantsy, nitrangan’ny halatra … kisoa tao amin’ny tanana iray tao Ambararata, fokontany Mazamiempo, kaominina Bemahatazana, distrikan’i Tsiroanomandidy. Nampandrenesina avy hatrany ny zandary ary raikitra ny fanarahan-dia niaraka tamin’ireo fokonolona. Tao Ambarikely no nifankatratra ny roa tonta ary raikitra ny fifandonana. Fantatra mantsy fa nirongo basy ireo mpangalatra ary nitifitra. Voatery namaly ireo mpanenjika ka nisy iray tamin’ireo olon-dratsy no voa. Naratra ilay io, hoy ny vaovao, saingy mbola afaka nitsoaka. Tsy nanaiky anefa ny fokonolona ka rafitra nanenjika ary voasakana ihany. Voalaza fa namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy moa izany mpanagalatra kisoa izany. Tetsy andanin’izay nanarararaotra nanao tari-dositra kosa ny namany, roalahy, ka tafaporitsaka, namela ireo kisoa nangalarin’izy ireo. Efa mandeha moa ny fikarohana ireo farany raha ny fampitam-baovaon’ny zandary. Efa naverina tamin’ny tompony kosa ny kisoa ary ny vatana mangatsiakan’ilay mpangalatra azy dia efa nomena ny fokonolona hiandrasana ny fianakaviany taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo.
m.L





Putain!!!!
Il n’a pas de chance celui là !!!!
MORT Pour UN KISOA ( kamankory) c’est vraiment pas de bol !!!!
Qu’est devenu le KISOA ?