- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy  : Voaendaka hatramin'ny razana

Tsiroanomandidy  : Voaendaka hatramin’ny razana

Vaky ny fasana iray tao Morafenokely. Raha noeritreretina fa taolam-balo maro no nisy nangalatra, tsy izany velively no nitranga. Tsy nisy voakitika ny tao am-pasana na nikorontana aza. Ny firavaka nampiarahina amin’ny maty no lasan’ireo jiolahy. Lasa ny volafotsy, ny volamena. Raha fintinina dia voaendaka firavaka izany ireo razana tao am-pasana. Endrika iray vaovao izay anton’ny vaky fasana indray izany ankehitriny. Ny mahatalanjona dia ny hoe ahoana no namantaran’ireo olon-dratsy fa nisy firavaka niaraka tamin’ireo razana izay nalevina? Sa olona mahafantatra ihany? Etsy ankilan’izany dia endriky ny fahantràna lasa lalina loatra ny toa izao. Velona ny olona, misy manendaka. Maty, mbola misy mandroba ihany na ny firavaka na ny taolam-balo. Atsy ho atsy koa izany dia mety efa hanakarama mpiambina hiandry fasana isak’alina ny manan-katao. Izay sisa ny fomba hiarovana ny vaky fasana. Ny fanadihadiana mandeha momba ny tranga toa itony aloha hatramin’izao dia tsy nisy valiny. Sarotra rahateo ny mandavaka loharanom-baovao momba ny mpamaky fasana. Feo fotsiny no nandeha hatrizay ny amin’ny mety ho antony halatra taolam-balo : toa ny hoe hanafenana volamena rehefa mandalo seranana na koa hoe hanamborana akora fanatsaràna tarehy na koa hoe hampiasaina amin’ny fanaovana ody gasy. Siosio avokoa izany hatreto satria tsy nisy fanadihadiana izay tena nandalina ny ambadiky ny raharaha. Nisy fotoana aza mba tratra ihany ny mpamaky fasana saingy na izy ireo aza tsy nahalala izay hanaovana ny taolam-balo. Ankehitriny koa dia mizotra any amin’ny fanendahana razana ny olon-dratsy.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici