- Publicité -
samedi, juin 14, 2025
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Zazavavy 13 taona naolan’ny raikeliny

Tsiroanomandidy : Zazavavy 13 taona naolan’ny raikeliny

Lehilahy iray manodidina ny 41 taona no voatery nosamborin’ny pôlisy tao an-drenivohitr’i Bongolava tao, noho izy ity voarohirohy tamin’ny resaka fanolanana ankizivavy kely, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia tonga nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny kaomisaria tao an-drenivohitr’i Tsiroanomandidy ny vehivavy iray. Voalaza tamin’izany fa niharan’ny herisetra ara-nofo ny zanany vavy, izay vao 13 taona monja. Nandray an-tanana avy hatrany ny raharaha ireo mpanao fanadihadiana ary nanomboka izany, hikarohana izay nahavanon-doza. Tsy olona lavitra moa no noahiahiana no nahavita izany fa rangahy iray tao an-tranon’izy ireo ihany, izay tsy iza fa ny raikeliny, araka ny loharanom-baovao azo hatrany. Nosamborina ity farany ary nanaovana famotorana. Niaiky ny helony tao anatin’izany.  Natolotra ny Fampanoavana ny talata lasa teo tany an-toerana ihany moa ingahirainy. Amin’ny toe-javatra tahaka izao, izay tsy andeferan’ny ireo mpitsara mihitsy, dia nampidirina am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsaràna azy ity rangahy ity.

Na dia eo tokoa aza ny famaizana mafy ampiharina amin’ireo olona nahavanon-doza, mampihatra herisetra ara-nofo, indrindra amin’ny zaza tsy ampy taona, dia tsy mitsaha-mitombo ihany ireo olona voarohirohy noho izay resaka izay. Raha ny tany Tsiroanomandidy fotsiny izao, dia nanamarika ireo pôlisy tany an-toerana fa nisy lehilahy iray hafa naiditra am-ponja vonjimaika tamin’io andro io ihany, noho izay resaka fanolanana izay hatrany.

m.L

 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici