- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy fanajàna « couvre feu » : Lehilahy mamo, nikasa handrava « barrage » ary nandratra...

Tsy fanajàna « couvre feu » : Lehilahy mamo, nikasa handrava « barrage » ary nandratra pôlisy iray

Tokony ho tamin’ny sivy ora sy sasany alina teo ho eo, tamin’iny faritra Ivandry iny. Raha nametraka ireo sakana sy fisavàna ireo olona mbola mandeha ihany na da eo aza ny « couvre feu « , toy ny mahazatra ireo mpitandro filaminana no nisy fiara tsy mataho-dalana iray, marika « Rexton », handeha hanitsy izany sakana izany. Nosakanana avy hatrany ity farany ary nangatahana taminy ny taratasy fahazoan-dalana mivezivezy sy ireo antonta-taratasy rehetra mahakasika ny fiara noentiny. Teo no nitranga ny olana araka ny fampitam-baovao avy amin’ny sampana serasera avy amin’ny pôlisim-pirenena. « Tsy nety nanome izany mantsy ilay mpamily ary nilaza fa mahafantatra olona ambony ka hiantso izany rehefa tsy havelan’ny pôlisy handeha ». Mazava ho azy, tsy nilefitra velively tamin’ny fandrahonana sy ireo faniratsirana isan-karazany avy tamin’ity lehilahy ity ireo pôlisy. « Taorin’izay dia novelomin’ilay mpamily ny fiarany ary izy handeha hiverin-dalana iny no nitsiny avy hatrany ny pôlisy iray nijoro teo ». Vokany, voadona mafy ity mpitandro filaminana ity ary tapaka mihitsy ny tongony araka ny fanazavàna azo hatrany. Teo ho no eo ihany dia nosamborina ilay rangahy. Fantatra tamin’io ihany koa moa fa hay mamo ity lehilahy 34 taona ity. Mavesabesatra ihany vesatra nanenjehana ity lehilahy ity araka izany : fivezivezena tao anaty « couvre-feu » tsy nisy alalàna,  fitondràna fiara anaty fahamamoana, faniratsiràna manam-pahefana anaty ny asany, fandratrana niniana natao mpitandro filaminana tao anatina lozam-pifamoivoizana. Mbola ao anatin’ny famotorana sy fakàna am-bavany tanteraka azy moa ireo tompon’andraikitra amin’izany hatreto ary heverina fa rehefa vita izay no atolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ity lehilahy ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici