- Publicité -
mardi, juin 24, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fanatanterahana didim-pitsarana : Nogiazana ny fananana mpandraharaha iray

Tsy fanatanterahana didim-pitsarana : Nogiazana ny fananana mpandraharaha iray

Notanterahana ny zoma 08 septambra teo tao amin’ny fokontany Antsinangavo kaominina Soanierana Ivongo, ny kamiao iray hana mpandraharaha mpanam-bola avy ao an-toerana. Raha ny fanazavana dia tsy fanatanterahana didim-pitsarana ny 29 aogositra, izay mandidy azy handoa onitra tamina haino aman-jery tsy miankina iray RNA ao Soaniarana Ivongo, izay mitentina 76 tapitrisa ariary. Raha ny fanazavana dia nodomin’ity kamiao na mpandraharaha ity ny « antenne »-ny ity radio ity ny 16 aprily 2023 tokony ho tamin’ny 11ora antoandro. Niezaka nifampiresaka tamin’ilay mpandraharaha ny tompon’ny onjam-peo, saingy tsy te-ahalala noho ny fananam-bolany ilay mpandraharaha , ankoatra ny teny havona mahazo an’ilay tompon’ny onjam-peo. Vokatra izay dia nitondra fitoriana teny amin’ny fitsarana tao Fenerivo atsinanana ny tompon’ilay onjam-peo. Raha nandeha ny fotoam-pitsarana dia mihevitra ny tsy handoa vola mihintsy ilay mpandraharaha, fa anjaran’ny « assurance » ny mandoa izany. Nefa nandritra ity raharaha ity dia saika nandray anjara tamin’ny fanelanelanana avokoa ny hery ara-piarahamonina tao Soanierana Ivongo, toy ny tangalamena – raimanadreny ara-drazana – ary fikambanana mpanao gazety Toamasina « AJT », ka vokatra izay nilatsaka ny didy navoakan’ny fitsarana. Tao anatin’izay anefa dia tonga tampoka tany an-toerana ny vadintany ny zoma 08 septambra teo, izay vao taitra ilay mpandraharaha. Nitady vahaolana ilay mpandraharaha mba handoa ny vola mba hiala henatra amin’ny fiaraha-monina an-tanana amin’ny fanagiazana ny fiarabe fananany. Nambaran’ny vadintany nanatanteraka didy, fa ny 28 septambra ho avy izao no atao ny lavanty ampahibemaso an’ilay kamiao « mercedes 1827 », ka eto Toamasina izany ; nefa mbola azony atao ny fandoavam-bola alohan’ny 20 septambra ho avy izao dia miverina ny kamiaon’ilay mpandraharaha. Nohamafisin’ny fokonolona ao Soanierana Ivongo, fa ity onjam-peo ity ihany no radio tsy miankina tokana ao Soanierana Ivongo. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha…

Malala Didier 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici