- Publicité -
dimanche, mai 18, 2025
AccueilFaits-DiversTsy fandriam-pahalemana Toamasina : Atao “Tagnamaro” ny fitandroana ny filaminam-bahoaka…

Tsy fandriam-pahalemana Toamasina : Atao “Tagnamaro” ny fitandroana ny filaminam-bahoaka…

Nihaona tao amin’ny lapan’ny faritra Atsinanana eny Mangarano II ny mpitandro ny filaminana avy amin’ny OMC, sy ireo lehiben’ny boriborintany enina, ary ireo filoham-pokontany 138 eto Toamasina renivohitra. Nantsoina tamin’izao fivoriana natao ny zoma 8 oktobra izao koa ireo lehiben’ny posy sy ny Tuc-Tuc eto Toamasina.

Notapahina nandritra izao fivoriana natao izao ny fananganana ny “Tagnamaro” amin’ny fametrahana ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany ho mpiara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fisahanana ny tsy fandriam-pahalemana isam-pokontany.  Iarahana ny fametrahana izany isam-pokontany. Noraisina koa ny tsy maintsy hikatonan’ireo trano fisotroana sy “karaoké” tsy an-kanavaka amin’ny 10 ora alina. Tsy azo ekena ny fatorian’ireo posy sy cyclo-pousse eny an-dalana rehetra eny. Atao ny fanaraha-maso ireo mpamily Tuc-Tuc, maro amin’ireny no mifandray tendro amin’ny andian-jiolahy eto Toamasina. Ny ady lehibe ao anatin’izay rehetra izay dia ny momba ny fiparitahan’ireo zavamahadolemina eny rehetra eny, izay tena manome vahana ireo olon-dratsy amin’ny ratsy ataony. Tsy maintsy mametraka paikady matotra hamongorana azy ireny ny mpitandro ny filaminana, ka hisy ny “operation” hatao mikasika azy io.

Niteny ireo mpitandro ny filaminana mivondrona ao anatin’ny OMC teo anoloan’ireo nasaina ireo, fa tsy hihemotra izy ireo amin’ny fampihorohorona ataon’ireo olon-dratsy. Tsy maintsy apetraka eto Toamasina ny filaminam-bahoaka araka ny tanjon’ny mpitandro ny filaminana amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany ary ny andrimpanjakana.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici