- Publicité -
mardi, septembre 1, 2026
AccueilFaits-DiversTsy fandriampahalemana : 378 ireo voasambotry ny pôlisy tao anatin’ny iray volana

Tsy fandriampahalemana : 378 ireo voasambotry ny pôlisy tao anatin’ny iray volana

Tsapa ho nisy fiakarany tokoa tato ho ato izay ireo trangana tsy fandriampahalemana teto an-drenivohitra, nandritry iny volana jolay nivalona iny. Na izany aza, tsy mikely soroka ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, izay miezaka miady andro aman’alina amin’ireo tontakely. Fantatra ary araka ny antontanisa nomen’izy ireo fa tafakatra hatrany amin’ny 378 tany ho any ireo olona nosamborina, nanomboka ny voalohan’ny volana ka hatramin’ny faha-31 jolay teo. Tao anatin’izany ny resaka fanafihan-jiolahy mahery vaika, izy nahasamborana olona iray, ary nahafatesana olon-dratsy efatra. Ireo tontakely, malaza ratsy amin’ny resaka fanendahana, vaky trano ary halatra tsotra no tena betsaka voasambotra ihany koa. Nahatratra 193 isa izy ireo no tra-tehaka. Teo amin’ny resaka halatra môtô, izay niha-nahazo vahana dia nisy olona valo nosamborina, ary telo kosa ireo olon-dratsy tratra nangalatra kojakojana fiara.

Marihana fa anisan’ny vaindohan-draharahan’ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena ihany koa ny ady atao amin’ny fandraisana sy fanaparitahana zava-mahadomelina, izay anisan’ny antony iray mampirongatra ny tsy fandriampahelamana. Tamin’iny volana iny dia mpibizina rongony manodidina ny 17 no nosamborina ary mamo toaka an-dalambe nahatratra 23 no nampidirina “violon”. Ankoatr’izay, eo amin’ny resaka herisetra eny an-dalambe, fanimbana zavatr’olona, fanompana olona, fanaovana fihetsika mamoafady imasom-bahoaka dia nisy teo amin’ny 35 teo izy ireo. Ao anatin’ny asa imasoan’ireto mpitandro filaminana ireto ny fisafoana andro aman’alina ireo faritra rehetra eto an-drenivohitra, izany dia mba ahafahana misoroka mialoha ny asa ratsy mety hitranga. Tao anatin’izay fisafoana izay aza dia nisy ireo olona mampiahiahy, tsy nahitàna karampanondro sy taratasy famantarana voatery nosamborina sy nampidirina “violon”. Nahatratra hatrany amin’ny 92 ny isan’izy ireo, raha ity antontanisa ity.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici