- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Miangavy fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny “emmo-securite”

Tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Miangavy fiaraha-miasa amin’ny rehetra ny “emmo-securite”

Telo andro taorian’ny fakan’andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika an’i Nizar Pirbay teto Toamasina, sy ny firongatry ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato, ary ny fisiana saika isan’andro ny fanendahana sy fandravana olona na andro na alina an-dalam-be indrindra fa ireo mpandeha moto scooter, dia nilaza ny heviny ny teo anivon’ny “Emmo-Sécutité”; izay tarihan’ny Kly Ranaivoarisoa Théodule Edith komandin’ny vondrom-pileovan’ny zandarimaria Atsinanana, fa mila fanampiana sy fiaraha-miasa amin’ny rehetra sy ireo andrimasom-pokonolona isam-pokontany izy ireo amin’ny fifehezana izao firongatry ny tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina renivohitra izao. Nambaran’izy ireo mantsy, fa baiko hentitra no nomen’ny lehiben’ny OMC (Organes Mixte de Conception) tarihan’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille ho an’ireo mpitandro ny filaminana, fa mila filaminana sy fandriampahalemana ny vahoaka amin’ny fiatrehana izao fetim-pirenena ho avy izao, sy hiatrehany ny fiainany andavanandro ihany koa. Nampitandrina ireto ekipan’ny “Emmo-Sécutité” eto Toamasina ireto, fa tsy mandefitra amin’ireo andian-jiolahy sy ireo olon-dratsy mahatonga ny fiainam-bahoaka tsy hilamina, sy ny mpandraharaha mitaintain-dava, fa tsy handefitra amin’ireo izay ho tratrany izy ireo, satria misy izao ny “opération tsy an-kitsitsy” ka na andro na alina dia hamafisina ny fisavana sy ny fanaraha-maso ny Tanàna. Ankoatra izay, dia nohamafisin’ireto mpitandro ny filaminana mitambatra ireto, fa tsy mbola misy ny fangataham-bola nataon’ireo andian-jiolahy naka an-keriny an’i “Zouzou” teto Toamasina farany teo. Misy ihany koa  na somary sarotra aza ny fifandraisan’izy ireo amin’ny fianakavin’ity nisy naka an-keriny ity…

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici