
Isan’ny toerana tena itrangan’ny fangalarana moto iny lalam-baovao antsoin’ny olona hoe “lalana relax” iny. Saika isan’andro dia ahitana tranga halatra moto am-pandehanana hatrany izany lalana izany, indrindra fa ireo tratra hariva noho ny firavana eny am-piasana sy am-pianarana. Darohan’ireo mpangalatra noto amin’ny hazo be na ambanan’izy ireo sabatra na antsy lava lela ireo mpitondra izany, dia lasan’izy ireo ny moto. Ilay karazan’ilay antsoin’ny olona eto Toamasina hoe “IRM” ireny ny moto tena angalarin’ireto mpangalatra ireto. Nanao hetsika manokana noho ny vaovao azony noho izany ny FIP Toamasina izany nizara roa noho ny fahazoan’izy ireo trano vaovao, ka ny ampahany eny Tanambao verrerie, raha mbola eny Valpinson ny ampahany hafa. Sivy lahy no tratra tamin’izany ka mandeha amin’ny andiany roa isaky manao halatra moto ireto andian-jiolahy ireto, ka ny iray mpitahiry ny halatra sy mpitady mpividy ireo moto halatra fotsiny. Tratra tao amin’izy ireo avokoa ny fitaovana sy ireto moto telo avy nangalarina nandritra izany. Ny iray tamin’izy ireo koa tratran’ny fitsaram-bahoaka teo am-pangalarana moto ka voadaroky ny hazo be nampiasainy, soa ihany fa tsy maty fa tonga aloha ny FIP nanavotra ny ainy. Niaiky ireto mpangalatra tratra ambodiomby ireto, saingy tsy nilaza ny olona famarotany sy nivarotan’izy ireo ny moto halatra fanaony kosa. Raha ny angom-baovao natao dia tsy eto Toamasina no tena hamarotan’izy ireo ny moto halatra entin’izy ireo mihazo ny tapany avaratr’i Toamasina, ka any Mananara avaratra sy Sainte-Marie no hamarotan’izy ireo izany, satria tena tian’ny olona any ilay karazana moto “IRM” noho izy ity matanjaka. Na nifindra toerana eny Tanambao Verrerie aza ny biraon’ny FIP foibe dia mbola mitohy hatrany ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra afaka manome vaovao, mba hisy filaminana eto Toamasina, hoy ny komandan’ny FIP Rafaliarivo Jules. Mbola mandray ny fitarainan’ny olona koa ny FIP eny Valpinson.
Malala Didier