- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Sivy lahy mpangalatra moto sy mpamaky trano...

Tsy filaminam-bahoaka eto Toamasina : Sivy lahy mpangalatra moto sy mpamaky trano saron’ny FIP

Nisy voadaroky ny olona ny sasany

Isan’ny toerana tena hitrangana fangalarana moto iny lalam-baovao antsoin’ny olona hoe “lalana relax” iny. Saika isan’andro dia ahitana tranga na halatra moto am-pandehanana hatrany izany lalana izany, indrindra fa ireo tratra hariva noho ny firavana eny am-piasana sy am-pianarana. Darohan’ireo mpangalatra moto amin’ny hazo be na hambanan’izy ireo sabatra na antsy lava lela ireo mpitondra izany, dia lasan’izy ireo ny moto izay karazan’ilay antsoin’ny olona eto Toamasina hoe “IRM” ireny ny moto tena angalarin’ireto mpangalatra izato. Nanao hetsika manokana noho ny vaovao azony noho izany ny FIP Toamasina izany nizara roa noho ny fahazoan’izy ireo trano vaovao, ka ny ampahany eny Tanambao verrerie, raha mbola eny Valpinson ny ampahany hafa. Sivy lahy no tratra tamin’izany ka mandeha amin’ny andiany roa isaky manao halatra moto ireto andian-jiolahy ireto, ka ny iray mpitahiry ny halatra sy mpitady mividy ireo moto halatra fotsiny. Tratra tao amin’izy ireo avokoa ny fitaovana sy ireto moto telo avy nangalarina nandritra izany. Ny iray tamin’izy ireo koa tratry ny fitsaram-bahoaka teo am-pangalarana moto ka voadaroky ny hazo be nampiasainy, soa ihany fa tsy maty fa tonga aloha ny FIP nanavotra ny ainy. Niaiky ireto mpangalatra moto tratra ambodiomby ireto, saingy tsy nilaza ny olona famarotany sy nivarotan’izy ireo ny moto halatra fanaony kosa. Raha ny angom-baovao natao dia tsy eto Toamasina no tena hamarotan’izy ireo ny moto halatra entin’izy ireo mihazo ny tapany avaratry Toamasina, ka any Mananara avaratra sy Sainte-Marie no hamarotan’izy ireo izany satria tena tian’ny olona any ilay karazana moto “IRM” noho izy ity matanjaka. Na nifindra toerana eny Tanambao Verrerie ny biraon’ny FIP foibe dia mbola mitohy hatrany ny fiara-miasa amin’ny rehetra afaka manome vaovao, mba hisy filaminana eto Toamasina hoy ny komandan’ny FIP Rafaliarivo Jules. Mbola mandray ny fitarainan’ny olona koa ny FIP eny Valpinson.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici