Nisehoan’ny vaky trano nifanesisesy tao Brickaville tamin’iny volana janoary iny. Vokany tsy nitazam-potsiny ny zandary tao an-toerana izay vao nahazo komandan’ny vondrom-paritry ny zandary vaovao, fa nihetsika namongotra izany andian-jiolahy mpamaky trano izany. Nisy ny hetsika natao taorian’ny 10 janoary teo, ka ny voalohan’ny volana febroary teo dia nody ventiny ny rano nantsakaina. Voasambotra ireo andian-jiolahy mpamaky trano mpampahory vahoaka ao Brickaville. Mbola tratra teny amin’izy ireo ny findain’ilay olona vaky trano nataon’izy ireo tamin’ny nahasamborana ireto andian-jiolahy ireto. Nilaza ny lehiben’ny zandary ao Brickaville fa tsy hanaiky lembenana amin’ny asa ratsin’ireo jiolahy mampahory vahoaka ireo, fa tsy maintsy misy hatrany ny hetsika atao hamongorona izany hatramin’ny fakany. Milaza koa anefa ny mponina ao Brickaville, fa mitondra fitoniana amin’ny filaminana ao an-toerana ny fahatongavan’ity lehiben’ny zandary vaovao ity, ka vonona hifanohana aminy izy ireo hamongorona ireo mpanao ratsy ao an-toerana. Nentina teto Toamasina ireo jiolaly voasambotra ireo mba hiatrika ny fitsarana amin’ny sazy izay mety ho azony. Ankoatra izany dia voasambotry ny zandary ihany koa ireo nanafika ilay mpivarotra fivarotana akoho be nofony tao Tanambao V ny alahady 15 desambra ny taona lasa iny. Vola 20 tapitrisa ariary no lasa, ka vola 4,5 tapitrisa ariary no anjara volan’ity jiolahy voasambotra ity. Mbola isan’ny nandray anjara tamin’ny fanafihana tao Tsarakofafa koa izy ity ny 29 janoary lasa teo. Dimy lahy izy ireo nanao ny fanafihana ka vao ity iray ity aloha no tratra tamin’izany, mbola mitohy ny fikarohana ireo namany efa-dahy. Efa miandry fitsarana am-ponja moa ny tenany amin’izao fotoana izao, araka ny vaovao.
Malala Didier