- Publicité -
mardi, septembre 8, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Efa mpanendaka hatramin’ny mpamily Tuc-Tuc

Tsy filaminana eto Toamasina : Efa mpanendaka hatramin’ny mpamily Tuc-Tuc

Zava-doza ny zava-misy eto Toamasina renivohitra ankehitriny satria ireo mpitatitra heverina ho fiarovana ny tena andro alina indray no manendaka ankitsirano ankehitriny. Tsy iza izany fa ny Tuc-Tuc. Tranga nampivarahotsana ny maro ilay nitranga tao Ambohijafy ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy. Voasambotra ihany ilay mpamily mpanendaka ka nosamborin’ny fokonolona ka tratra tokony tamin’ny 03 ora maraina. Raha ny fanazavana voaray dia naheno olona niantso vonjy ireo vahoaka mifanila amin’ny CSB II iny ka taitra sy nifanao fifampitsoana miafina avokoa. Olona roa vavy avy niala voly ireo voaendaky ny mpamily Tuc-Tuc sy ny namany ity. Efa nisy lehilahy roa mpiara-dia amin’ilay mpamily efa tao anaty Tuc-Tuc toa ireny mpanjifa hody ireny tao mialoha. Avy hatrany dia nokendain’ireo telo lahy izy ireo, izy roa lahy sy ilay mpamily, izy roa vavy ka torana latsaka avy tao anaty Tuc-Tuc ny iray tamin’ireto vehivavy. Tampody aina ilay latsaka ka nahita niantso vonjy, ary nanampy azy ilay iray raha naheno izany ka taitrany fokonolona nanodidina ka samy nivoaka avokoa. Taitra ireto mpanendaka niaraka tamin’ilay mpamily mpanendaka ihany koa ka nitsoaka tsy hita sy tsy tratra. Tavela teo kosa izy roa vavy velona aina soa amantsara. Niantso mpitandro filaminana ireto fokonolona ka tonga ara-potoana izy ireo ary avy hatrany nanao ny fanadihadiana sy nitazona ilay Tuc-Tuc navelan’ireo mpanendaka. Araka ny vaovao dia voasambotra ilay mpamily Tuc-Tuc ; ka tena voamarina izao fa misy ireo mpamily Tuc-Tuc indrindra fa ireo miasa alina mpanendaka na naman’ireo mpanendaka. Mampitandrina ireo mpivoaka alina amin’ireo Tuc-Tuc sasany mpanendaka ireo mpitandro ny filaminana, ary mampitandrina koa azy ireo fa tsy hitsitsy raha mahatratra azy ireny fa fahavalom-pirenena ireny olona ireny.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici