- Publicité -
lundi, avril 28, 2025
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Lavon’ny balan’ny FIP ireo jiolahy efatra, miaramila...

Tsy filaminana eto Toamasina : Lavon’ny balan’ny FIP ireo jiolahy efatra, miaramila am-perinasa ny iray

Voasoroka ny fanafihana saika nataon’ireo andian-jiolahy ny alarobia 12 aprily, ka nandray anjara tamin’izany ny FIP notarihan’ny komandany Rafaliarivo Jules. Raha ny fanazavana dia mpandraharaha ara-toekarena haka vola amin’ny banky iray no nokasain’izy efa-dahy notafihana nandritra izany. Teo akaikin’ny fasan’ny mahery fo milanina amin’ny fasam-bahiny no nanaovana ny fivoriana fandaminana momba ny fanafihana hatao, ka nahazo loharanom-baovao mialoha ny FIP tamin’izao raharaha izao. Raikitra ny fifampitifirana tamin’ny 9 ora sy sasany vao nahita ny polisin’ny FIP ireto jiolahy, ka vokany nampiasa ny fitaovana teny aminy koa ny FIP ary voatifitra nandritra izany izy efa-dahy jiolahy. Mbola sarona teny amin’izy ireo basy fampiasany dia ireo basy roa sy bala enina 9mm sy bala 7,65mm. Raha ny angom-baovao dia miaramila am-perianasa ny iray tamin’izy efa-dahy maty ireo, ka ao amin’ny toby holafy R3A Ambalamanasy ny tenany. Ity miaramila ity no nitifitra voalohany vao nahita ny fahatongavan’ireto polisy ireto. Fantatra ihany koa vao avy nahavita ny saziny teny Tsiafahy koa ny iray tamin’ireo jiolahy maty voatifitra araka ny fanazavana hatrany. Hentitra ny talem-paritry ny polisy Toamasina ny kaomisera Rakotovao Christian fa tsy maintsy milamina i Toamasina amin’ny fanafihana amin’ny fitaovam-piadiana. Ny fahafatesana jiolahy goavana be ohatra izao dia fametrahana fandriampahalemana maharitra eto Toamasina, ka tsara ny fanohizana izany hoy ny olom-pirenena naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici