- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Mpangalatra akoho saika matin’ny olona

Tsy filaminana eto Toamasina : Mpangalatra akoho saika matin’ny olona

Saika fitsarambahoaka no nanjo ireto tovolahy roa tratran’ny fokonolona nangalatra akoho mpiady tao Ankirihiry sy Valpinson. Efa nifanenjehan’ny fokonolona izy roa lahy ireto nandritra izany, ka avy tao Ankirihiry no niatombohany ary nikasa nitsoaka tao Valpinson ireto mpangalatra. Tratran’ny fokonolona ihany izy roa lahy na nitsoaka mafy azy, ka avy hatrany dia daroka sy vono no nahazo azy ireo. Vokatra izany dia naratra mafy izy roa lahy voadaroky ny fokonolona ireto; soa ihany fa tsy lavitra teo ny polisin’ny FIP ka izy ireo no nanavotra ireto tovolahy roa tratran’ny fokonolona ireto. Voasambotra izy ireo ary miatrika fakana am-bavany azy izy ireo ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny kaomisarian’i Toamasina I ao bazary kely. Isany tena mahazo vahana mantsy eto Toamasina amin’izao ny fampiadiana akoho, lasa fitadiavam-bola sy fialambolin’ny olona isaky ny faran’ny herinandro izany, sy misy mihintsy olona sahy manofa ireny akoho mpiady ireny, ary lasa filokana ihany koa amin’izao; ka lasa mahazo vahana ny halatra amin’ireny karazana akoho ireny. Tsy maintsy hiakatra fampanoavana izy roa lahy ireto ka heverina fa hiandry ny fitsarana azy am-ponja noho ny resaka halatra akoho tsy eken’ny fitsarana ho afa-maina mihintsy eto Toamasina. Ankoatra izany dia kioska mpanakalo vola amina tamban-jotran-tserasera iray koa voaroba tamina fanafihana mitam-piadiana tao Analakininina Hopitaly Be. Vola mitentina 06 tapitrisa ariary no lasan’ireo jiolahy tamin’izany atoandro be nanahary ny zoma teo, ary lasan’ireo jiolahy koa ireo finday dimy fampiasan’ilay kioska nandritra izany. Tsy misy ny tohin’ny raharaha amin’izao fa ilay tompon’ny kioska fanakalozam-bola tao Analakininina Hopitaly Be ihany no efa natao fakana am-bavany, fa ireo jiolahy nanao fanafihana tsy mbola nisy ny vaovao momba azy hatramin’izao.

Malala Didier

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici