Efa vonona hiady amin’ireo asan-jiolahy ny polisim-pirenena izao eto Toamasina Renivohitra, satria saika isak’alina dia hita foana izy ireo miaro ny vahoaka sy ny fananany eny amin’ny fokontany, indrindra fa ireo tafiditra amin’ny fokontany mena eto Toamasina. Niantso mpanao gazety ireo ekipan’ny polisy nanazavany ny zava-nisy teto Toamasina. Ny alarobia alina io dia jiolahy telo maty voatifitry ny UIR na « Unité d’Intervention de Rapide » ny polisim-pirenena, tantananan’ny « commissariat centrale » eto Toamasina Renivohitra. Andiany maromaro ireto jiolahy ireo saika nanomana fanafihana sy halatra teto Toamasina alina, saingy efa nahazoan’ny polisy vaovao ny mikasika izany sy ireto jiolahy ka maro ny fanaraha-maso. Teo am-panomanana ny halatra sy fanafihana mitam-basy iny indrindra tao Ambalakisoa fokontany iray eto Toamasina no nifanehitra tamin’ireto ekipan’ny UIR Toamasina teo amin’ny lalam-pasika be ao amin’ny fokontany P/elle 21/61 Ambalakisoa, ka raikitra ny fifampitifirana ka jiolahy telo maty voatifitra nandritra izany, ary jiolahy telo hafa tafiporitsaka, izay mbola nifanenjehana ka tsy hita intsony. Basy telo saika nentina nanafihana alina tratra tamin’ireto telo maty voafitra, saingy raha ny laharana teo amin’ny basy hita dia nokikisana avokoa izany ka sarotra ny famantarana izay tompony vokatra izany, saingy mbola manadihady izay tompony ireo mpitandro filaminana sy ny fitsarana ankehitriny. Nanambara ny talen’ny filaminana anatiny sy ny komandin’ny sampana polisy UIR fa tsy mandefitra amin’ireo jiolahy tratran’izy ireo fa mitifitra avy hatrany. Mampihomana ny fiarahamonina koa izy ireo mba tsy hivoaka raha maheno feom-basy sao ahitan-doza ny fivoahana ny trano. Efa nentina eny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be Analakininina ireto faty telo, ahafahan’ny fianakaviany maka azy telo lahy maty voatifitra ny alarobia alina ireto. Mbola eo am-panarahan-dia ireo namany telo tafatsoana sy izay mety namany hafa ny polisim-pirenena ankehitriny. Toamasina mandry fahalemana no tanjona hoy ireto polisy vonona mandrakariva hiady amin’ireto jiolahy mpampahory vahoaka.
Malala Didier





