Voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra, ireo tamban-jotra mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpamaky trano eto Toamasina efa-dahy. Efa maro ny tokantrano nanaovan’izy ireo izany teto Toamasina, ka isan’izany ny tokantrano iray tao Ankirihiry izay notafihan’izy ireo ny 17 febroary lasa teo.
Nandritra izany fanafihana izany dia traitra ny tompon-trano ka tsy nahomby ny teti-dratsin’izy ireo nandritra izany, araka ny fanazavana dia voadarok’ilay tompon-trano ny Tanana iray tamin’ireo jiolahy ireo nihanika tamboho, ka lasa nandositra ireo namany taorian’izany satria latsaka ny basy sy ny finday teny an-tanan’ity jiolahy voadaroka ity. Nanao fikarohana tamin’ilay finday latsaka ny polisim-pirenena taorian’izany, ka ora roa taty aoriana nanaovana ny fanafihana nisy hafatra niafina nilatsaka tao anatin’ilay finday nilaza fa “voa mafy ny tenako nandritra ny fanafihana farany izay natao, ka naharary ny tananako”, ka izao voasambotra izao. Nitohy hatrany ny fanaraha-maso ireto andian-jiolahy ireto, nefa ny andron’ny 24 febroary lasa teo ihany dia mpivady mpivaro-kazo teny amin’ny Cité Haras no lasibatra ny jiolahy. Ilay ramatoa voadaroky ny void-basy nandritra izany, ilay rangahy vadiny kosa voatifitra ireo jiolahy tamin’ny lamosiny rehefa namaly ireo andian-jiolahy nanafaka azy ireo. Nanoloana ny zava-nitranga tamin’ireto mpivady ireto dia tsy niandry ela ny polisim-pirenena avy amin’ny UIR, fa nanao ny ezaka rehetra hanatrarana ireto andian-jiolahy mpanafika ireto, ka ny alahady teo no nahatrarana ireo nahavanon-doza tao Tanambao Verrerie. Taorian’ny fisamborana dia raikitra avy hatrany ny fakana am-bavany ireo efa-dahy tratra ireto, ka nihaiky ny heloka vitany tamin’ny fanafihana fanaony izy ireo. Nandritra izany koa no nilazan’ireto andian-jiolahy tratra ireo fa izany Rasihanaka izany no mitazona ny basy fampiasan’izy ireo amin’ny fanafihana fanaony.
Voalazan’ny polisy fa isany rain-dahy amin’ny fanafihana eto Toamasina ity Rasihanaka ity, ka miangavy fiaraha-miasa amin’ny rehetra eto Toamasina ny polisim-pirenena eo anivon’ny kaomisarian’i Toamasina renivohitra hanome ny loharanom-baovao raha mahita ity olona karohana ity. Omena valisoa izay mahalala ny toerana misy ity Rasihanaka ity araka ny nambaran’ny polisy misahana ny raharaha.
Malala Didier




