- Publicité -
jeudi, septembre 10, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy filaminana eto Toamasina : Tratran’ny FIP ireo mpangalatra moto tao Andranomadio

Tsy filaminana eto Toamasina : Tratran’ny FIP ireo mpangalatra moto tao Andranomadio

Ny sabotsy teo dia nisy nangalatra tao anaty tokotany misy fefy avo dia avo ireto moto scooter 2. Tsy nisy nahare ny nangalarana izany ireo tao an-trano fa ireo moto scooter efa very no nisy nahatsikaritra. Ny alahady 4 jolay no tonga teo anivon’ny sampan’ny FIP Valpinson ny tompon’ireo moto scooter nitaraina, saingy nasaina nanatona ny kaomiseran’ny kaominina Toamasina renivohitra nametraka fitoriana sy fanambaram-pananana very izy ireo nandritra izany.

Taorian’ny fametrahana izany fitoriana izany koa dia niezaka nikaroka mangina ny moto scooter-ny ireo tompony tamin’ny fampiasana mpitsikilo manokana nokaramaina 50.000 ariary. Nivaly izany ny talata teo ka nisy ny fisamborana nataon’ny FIP tamin’izany ireo voarohirohy voatonona. Ny talata tolakandro teo no voasambotra ny voalohany tao anaty trano fisotroana tao Ankirihiry, ka izy no nanoro ireo namany roa lahy niara-nangalatra taminy izay nitarika ny fisamborana azy ireo, saingy ny iray mbola tsy voasambotra tamin’izany. Nisy ihany ny fahatelo voasambotra tamin’izany, saingy tovolahy tao an-trano nitehirizan’ilay tovolahy iray mpangalatra ny moto noravaina, ka mbola manaporofo ny tsy maha-mpangalatra sy mpiray tsikombakomba azy ny tenany. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ireo roa lahy voasambotra nangalatra ireo moto, dia nobatain’izy ireo nihanika tamboho ireo moto scooter roa nangalarin’izy ireo tamin’izay. Ny iray tamin’izany anefa efa novaina ny moterany raha vao azo, fa ilay moto RS kosa no nitadiavana mpividy haingana fa nila vola maika ireo mpangalatra. Saika namidin’izy ireo 1.000.000 ariary ilay moto scooter raha novidian’ny tompony 4.000.000 ariary.

Tsy nandà ny asa fangalarana nataony ireto roa lahy voasambotra ireto izay mbola miandry ny namany iray tsy mbola tratra. Na izany aza dia miatrika ny fakana am-bavy azy ireo eo anivon’ny kaomisarian’i Toamasina voalohany izy roa lahy tratra, ka raha vita izany fakana am-bavany izany dia hiakatra fampanovana izy ireo ny zoma na ny sabotsy izao. Mikasika ity mbola tsy voasambotra ity kosa dia nambaran’ny FIP fa tsy maintsy ho avy ny hahasamborana azy io tsy ho ela.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici