Isan’ny jiolahy nifampitadiavan’ny mpitandro filaminana ireto jiolahy nikohizana amin’ny famakiana trano sy halabotry ireto, dia ingahy “Wawa” izay solon’anarana sy ingahy Gervais mpiaraka aminy. Efa azon’ny “camera de surveillance” tamin’ny tranon’olona tamin’ny asa ratsy fanaony izy roa lahy ireto, ka izay no nitarika ny fikarohana azy ka tamin’io tratra ny “camera de surveillance” io dia nangalatra gisan’olona nikotrika izy roa lahy ireto. Tratra ihany ny farany izy ireto raha nokarohan’ny mpitandro filaminana io, ka resaka famakiana trano no nahatratra azy ireo nandritra izany niaraka tamin’ny namany iray hafa ihany koa. Efa mandeha ny fanadiadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana azy ireo, mba hamantarana ireo heloka vitany amin’ny famakiana trano sy ireo halabotry fanaony. Raha ny vaovao voaray dia fantatry ny olona manodidina azy amin’ny zavatra fanaony izy roa lahy ireto, saingy tsy misy sahy nitoroka azy ireo hatramin’izao nahasamborana azy ireto izao. Izay no olana hoy ny mpitandro ny filaminana amin’ny tsy fahasahian’ireo vahoaka mahalala ireny jiolahy ireny, noho tahotry ny valifatin’ireny jiolahy ireny. Nilaza ny mpitandro ny filaminana fa tsy hamela an’i Toamasina hanjakan’ny mpanao ratsy sy ny mpamaky trano ary halabotry izany izy ireo. Ho hita eo ny sazy ho an’izy ireo aorian’ny fiakarany fampanoavana hamantarana izany sazy izany, fa ny fanirian’ny maro dia ny hiazonana azy ireo am-ponja mba hampilamina ny eto Toamasina tampon-tanàna sy ny manodidina azy.
Malala Didier