- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversTsy hanaiky lembenana intsony ny polisy : Lavon’ny bala ingahy Ralava jiolahy mpamerin-keloka…

Tsy hanaiky lembenana intsony ny polisy : Lavon’ny bala ingahy Ralava jiolahy mpamerin-keloka…

Efa nampitandrina ny polisim-pirenana eto Toamasina, fa tsy ankitsitsy intsony ny asa ratsin’ireo jiolahy. Ny alin’ny alakamisy teo tokony tamin’ny 10ora alina dia nahazo antsy tamin’ny finday ny kaomisera Rakotovao Jean Christian, fa misy andian-jiolahy telo lahy mihazona antsy be mandrava olona tao amin’ny trano fisotroana iray tao Ambalakisoa. Manaraka olona hatrany amin’ny tetezan’ny Vietnam, izay manasaraka ny fokontany Ambalakisoa sy Tanambao Verrerie. Vokatra izay tsy niandry ela ny ekipan’ny kaomisera Rakotovao Jean Christian avy ao amin’ny kaomisarian’i Bazary kely. Avy hatrany dia nametraka velam-pandrika ireto polisy, ka nisy ny avy any Tanambao Verrerie, nisy koa ny nitsofoka teo amin’ilay trano fisotroana voalaza nitrangan’ilay fanafihana tamin’ny antsy be. Hitan’ireo jiolahy ireto polisy ka nitsoaka nihazo ilay tetezan’i Vietnam, nefa vao nahita izany ireto polisy dia nanao fanakanana ka raikitra teo ny fandrahonana tamin’ny antsy be sy ny tora-bato nataon’ireto jiolahy. Vokatra io tranga niseho io dia namoaka ny basy teny aminy koa ny polisy ka nirefotra ny basy, maty tsy tra-drano tamin’izany ingahy Ralava jiolahy. Raha ny angom-baovao teny ifotony dia vao ny talata teo no nandravana rafotsy be ireto jiolahy ireto, ka torana tsy nahatsiaro tena ilay rafotsy be notafihan’izy ireo tao an-tokantranony. Ankoatra izay dia mampihorohoro ny fokonolona tamin’ireto fokontany telo ireto andian-jiolahy telolahy ka iray maty voatifitra ireto dia isany fanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ny ao Ambolomadinika, sy Ambalakisoa, ary Tanambao Verrerie. Nilaza am-pahibemaso ny kaomisera Rakotovao Jean Christian fa tsy handefitra intsony amin’ny fametrahana fandriampahalemana eto an-drenivohitry Toamasina.

Malala Didier 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici