- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversFiatrehana fanadinana : Tsy mahomby ny famerenan-desona 5 minitra

Fiatrehana fanadinana : Tsy mahomby ny famerenan-desona 5 minitra

« Tsy mahomby ny famerenan-desona 5 minitra alohan’ny fanadinana », hoy i Dadafara Zilibera. Fahazarana tsy ahitam-bokany ihany koa hoy hatrany izy Ilay fampihinana trondro sy tsaramaso Ary chocolat ny ankizy mpanala fanadinana.

Midina isan-taona ny lentan’ny fanabeazana eto amintsika. Maro be ny antony, isan’izany ny firoboroboan’ny tambazotra sosialy, izay mahatonga ny ankizy miaritory be, isany tena manimba ny atidoha anefa Io raha ny filazan’i Dadafara Zilibera.

Eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fahaiza-manaon’ny mpampianatra. Saika paikady tranainy tsy tena mifanaraka amin’ny vanimpotoana intsony Ireo ampiasaina entina mampita amin’ny ankizy, saika mpampianatra tsy tena manana Ilay fahaiza-manao takian’ny seham-panabeazana ankehitriny Ireo mampianatra fa olona tsy nahita asa dia zara aza tafiditra mpampianatra Fram.

Manoloana izany, indrindra no nanosika an’i Dadafara Zilibera hizara amin’ny mpiray tanindrazana fomba fiady sy  fianatra vaovao, izay nomeny anarana hoe « boosteur d’intelligence » , mba afahan’ny rehetra tena mampiasa ny atidohany araka ny tokony ho izy. Paikady afahana manana fitadidiana sy fifantohana matanjaka, ary mampitombo tsilo-tsaina no ampianariny ao raha ny filazany. Efa nentiny nitety faritra maro teto amin’ny nosy moa Io, ary efa namoaka ankizy maromaro ho sangany teo amin’ny sehatra misy azy avy.

Tsara ho fantatra hatrany, fa mpampianatra filozofia i Dadafara Zilibera ka mahalala n’y olan’ny fanabeazana, mpitarika fikambanana tanora ihany koa Ary niofana sy mpampiofana mahakasika ny serasera sy « Neuroscience appliquée ».  Ho anao izay mety ho Liana hifandray na hifanerasera aminy dia manana pejy Facebook izy « Dadafara Zilibera » sy « Sekolin’ny King » ao ianao no afaka manjifa Io horonantsary maharitra adiny roa Io, hiresahany mahakasika ny « boosteur d’intelligence».

Tsy misy nateraka ho bado ny olona hoy izy, fa tsy nampianarina antsika fotsiny ny tena hery sy fampiasana io atidoha Io.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici