- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsy nahazaka fisarahana : Naparitany tamin’ny Facebook ny sarin’ny sipany miboridana

Tsy nahazaka fisarahana : Naparitany tamin’ny Facebook ny sarin’ny sipany miboridana

Lehilahy iray no voatery nosamborin’ny polisy tao Maroantsetra noho ny fanaparitahana sary mamoafady tamin’ny tambajotra sosialy facebook. Sary izay tsy an’iza fa an’ny tovovavy sakaizany taloha ihany. Fanaparitahana sary mamoafady, fanalàna baraka olona… mavesabesatra ihany ny fiampangàna an-dranamana ka nahatonga ny teo anivon’ireo mpitsara mpanao famotorana hampiditra am-ponja vonjimaika azy. Tao amin’ny fokontany Mangabe, ao amin’ny distrikan’i Maroantsetra ity lehilahy 36 taona ity no monina. Vao niparitaka ny sary dia nametraka fitoriana avy hatrany ilay vehivavy sakaizany, satria fantatra mazava fa tsy maintsy ho izy no nanaparitaka izany. Niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ny polisy ary nanao ny famotorana azy. Nibaboka avy hatrany ny lehilahy fa izy tokoa no tompon’antoka ary ho valifaty ny antony nanaovany azy io. « Noho ny tsy fahazakana fisarahana no antony nanaparitahany ilay sary sy horonantsary mamofady raha ny nambarany nandritra ny fanadihadiana » hoy ny vaovao. Ireo eo anivon’ny mpitandro filaminana moa dia tsy mitsahatra ny manentana fa tsy mety ary tsy tokony atao mihitsy ity mifandefa sary miboridana sy mamoafady ity raha mbola mpisakaiza fotsiny ihany. Tsy fantatra mantsy izay mitranga aoriana ao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici