- Publicité -
dimanche, octobre 25, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTunnel Ambohidahy : Nisy nandona sahady ilay « garde corps » vao...

Tunnel Ambohidahy : Nisy nandona sahady ilay « garde corps » vao vita

Mbola tsy nisy andro vitsy akory ny nahavitan’ilay « garde corps » natao hiarovana ireo mpandeha an-tongotra amin’ny fiara tao amin’ny tonelina Ambohidahy dia efa nanao ny asany sahady … fiara iray no nidona mafy tamin’izany fotodrafitrasa izany ny alin’ny alakamisy teo, nanimba tanteraka ilay vy arofanina. Misy lolo marina ? Maro ihany ny lasa saina manoloana ny zava-nitranga. Tena misy mifono misitery marina ve ao amin’io tonelina io ka mahatonga an’ireo fiara hiala lalana sy hanitsy any amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Raha tsy nisy ireo “garde corps” nataon’ny kaominina tokoa mantsy dia mety efa nisy olona voadona indray teo tamin’io alin’ny akalamisy io. Tsiahivina fa taorian’ilay loza mahatsiravina, taxibe nifaoka mpandeha an-tongotra ary nahafatesana olona maromaro iny no nanapa-kevitra ny kaominina ny hanamboatra izany. Isan’ny voalazan’ny mpamilin’ilay taxibe tamin’io fotoana io mantsy fa hoe nisy aloka mainty nanarona ny fahitàny, antony nahatonga ilay loza. Raha tamin’ity indray mitoraka ity dia azo heverina fa hadalana tanteraka sy tsy fitandremana tsotr’izao no nahatonga ny loza. Satria raha ny vaovao azo dia mamo tanteraka ny mpamilin’ilay fiara namoa-doza ary io namantana teny amin’ilay foto-drafitrasa vaovao io. Araka ny fampahafantarana nataon’ny kaominina mantsy, vantany vao niseho ny loza dia nilaozan’ny mpamily ny fiara, navelany nihantona teo amin’ilay arofanina vy vao avy nosimbainy. Mafimafy ihany ny fandehan’ilay fiara raha ny fahasimbana tamin’ilay vy. Namoaka fampilazana sy fikarohana izay mety ho mpamily na tompon’ny fiara moa ny kaominina , niaraka tamin’ireo tomponandraikitry ny filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana, izay tonga teny an-toerana nanokatra ny fanadihadiana. Omaly, no tonga nitolo-tena teny anivon’ny polisy misahana ny lozam-pifamoivoizana ilay mpamily, niaraka tamin’ny tompon’ny fiara. Marihana fa fiara ana orinasa izy io ary avy nanatitra mpiasa izy talohan’ny loza.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici