- Publicité -
lundi, septembre 7, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTvm Moramanga : Nisy nandroba ny birao

Tvm Moramanga : Nisy nandroba ny birao

Ny alin’ny alakamisy teo no nisy olon-dratsy namaky ny biraon’ny haino aman-jerim-panjakana ao Moramanga. Lasa avokoa ny fitaovana ara-teknika mampandeha ny Tvm sy ny Rnm. Vokatr’izany dia tsy mahazo azy ireo aloha Moramanga sy ny manodidina, mandra-panoloana ny fitaovana. Nametraka fitoriana ny tompon’andraikitra ao an-toerana ary efa mandeha ny fanadihadiana. Raha araka ny fanampim-baovao dia teny amin’ny tafo no nogoahin’ireo mpangalatra ary nidirany tao anatin’ilay birao misy ny rindran-damina teknika. Rehefa nijanona tsy nahazo ny haino aman-jerim-panjakana ny olona dia nanamarina vao maraina nijery ny birao ny tompon’andraikitra ary teo no nahatsikaritra fa vaky ny trano.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici