Ny Alakamisy faha 23 Martsa lasa teo no feno 100 taona katrotra ny fikambanana skoto Antilin’ny Madagasikara. Tsy namela izany nandalo fotsiny ny diosesin’Antsirabe fa nanamarika izany tamina hetsika maro nanomboka io daty io. Fiaraha miombim-bavaka no nanokafana ny fotana ny Alakamisy maraina, narahana fampisehoana mivelatra kosa ny Sabotsy 25 Martsa, fampiratiana ireo asa tanana vitan’ny skoto , isan’izany ny fanamboarana zava meneno toy ny kabosy sy ireo fitaovana vita amin’ny asa tanana fampiasa sy fitondra milasy. Hetsika efa fanaon’ny diosesin’Antsirabe ny mizara fitafy ho an’ny olona sahirana rehefa datin’ny 23 Martsa fa tamin’ity kosa dia niavaka ny fanatanterahana azy satria ireo fitafy tsy antonona na tsy ampiasan’ireo ankizy tazaina sy ny mpiandraikitra no nangonina ka nozaraina tamin’ireo olona sahirana tsy manan-kialofana. Nahatratra 150 no nisitraka izany tao amin’ny fokontany Antsenakely nizarana ny fanomezana. Nofaranana tamin’ny dia be manerana ny tanana ny hetsika ny andron’io Sabotsy io ho fampahafantarana ny daholobe ny jobily faha 100 taonan’ny Antily hoy ny filoha Hery na Caiüs Raharison filohan’ny Antily diosesin’Antsirabe.
Lamesa lehibe natao tao amin’ny katedraly Antsirabe ny Alahady teo no nanokafana ny jaobily faha 100 taona. Tanjon’ny fanamarihana ny jobily dia ny teny filamatra “ iray ny vina , iray ny tanjona, miray fahombiazana ho an’ny fanabeazana”.
Tsy afa misaraka amin’ny fitazaina ankehitry ny fivoaran’ny teknojia sy ny serasera amin’ny alalan’ny fampiasana Internet. Tsy tara amin’izany ny skoto hoy hatrany ny filoha nanazava fa misy ny fanombanana isaky ny 7 taona ataon’ny birao iraisam-pirenan’ny Skotisma hijerena ny fomba hitazaina ny ankizy manolona ny fivoaran’ny teknolojia, sy hifandraisan’ny samy skoto maneran-tany. Mitaiza ny ankizy hijery ny lafitsaran’ny teknolojia ny fitazaina skoto fa matetika lafiratsy foana no voaresaka.
Andry N