- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA : FENO 30 TAONA NY SEKOLY NOTRE DAME DE LA SALETTE ANTSAHASOA

VAKINANKARATRA : FENO 30 TAONA NY SEKOLY NOTRE DAME DE LA SALETTE ANTSAHASOA

Nanamarika ny faha 30 taona nisiany ny sekoly lisea notre dame de la salette Antsahasoa ny fiandohan`ny volana Mai lasa teo. Nifanindry an-dalana tamin`ity fotoana ity ihany koa ny fanamarihana ny faha 125 taona ny nahatongavan`ireo misionera la salette teto Antsirabe.

Fampisehoana miavaka toy ny dia mirindra, mitabe ary filatroana sy fiarahana misakafo nantsoina hoe Agape no nataon`ireo mpianatra taorian`ny lamesa lehibe notontosana teo antokotany malalaky ny sekoly.

Nanamarika ity hetsika ara pinoana ity ihany koa ny fahatongavan`ireo eveka mirahalahy avy amin`ny disosezin`Ambanja sy diosezin` Ihosy.

Ambohimpiaonan`ireo pretra vahiny Misionera ity fotoana iray ity ankoatra ny fankalazana roa sosona satria dia pretra misionera vahiny miisa 40 avy amin`ny firenen-tsamihafa no tonga nanotrona ity lanonana ity. Marihina fa nanantanteraka ny ‘chapitre générale’ ireo pretra ireo izay nifarana ny Alahady 5 May teo. 

Ny fanamarihana rehetra dia natao teo ambany fitarihan`ny son excellence Monseigneur Jean Pascal Andriantsoavina.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici