
Efa an-taonany maro ny nihorina teto Antsirabe ny FI ZA FA TO na Fikambanan’ny Zanaky ny Faritany Toliary eto Vakinankaratra. Fikambanana izay mampikambana, mampifandray ireo zanaky ny avy ao Atsimo satria faritra maromaro no mandrafitra ny faritany Toliary. Nandalo fotoan-tsarotra ny fikambanana nandritra ny taona maromaro ka izay no antony tsy nandrenesana azy. Nifoha tamin’ny torimasony fikambanana ankehitriny ary efa niverina avokoa ireo hetsika natao hatrizay hanetsiketsehana ny mpikambana monina sy miasa eto Antsirabe. Manodidina ny arivo ny mpikambana voasoratra anarana hoy Germain Dipasy filoha mitantana ny FIZAFATO eto Vakinankaratra ankehitriny. Miisa 12 mianadahy kosa ny birao mpitantana hiasa mandritra ny efa-taona. Antopisian’ny FIZAFATO eto Vakinankaratra dia hamantaran’ny olona fa misy zanaky Toliary eto ary mivondrona anaty fikambanana izy ireo hifanampy hifanasoa na ankafaliana izany na ankaratsiana, teny filamatra rahateo ny hoe “Soa ty filongoa”.
Nitondra ny anjara boriky tamin’ny fambolen-kazo natao teny Andraikiba ny fikambanana ankoatra ny sosialy izay tena himasoany. Notsipihan’ny Dipasy fa tsy tokony hampiasana amina resaka politika ny anaran’ny fikambana satria misy ireo mpikambana sasany halaim-panahy manao izany. Samy manana ny safidiny ny tsirairay ka tokony hifanaja fa tsy ny anaran’ny FIZAFATO eto Vakinankaratra no hampiasana ka nampitandrina ireo izay mitady hioapefy ny filohan’ny FIZAFATO eto Vakinankaratra.
Andry N.