- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversVAKINANKARATRA :  Hanamafy ny fiaraha miasa amin’ny fanjakana ny FIOVA

VAKINANKARATRA :  Hanamafy ny fiaraha miasa amin’ny fanjakana ny FIOVA

Hatrizay nitsanganan’ny FIOVA na Fivondronan’ny Orinasa eto Vakinankaratra dia efa niara niasa tamin’ny fanjakana hatrany ny FIOVA, hohatsaraina bebe kokoa io fiaraha miasa io, isan’ny nivohitra izany tamin’ny fifampiarabana  nokarakarain’ny FIOVA ny datin’ny 24 Janoary lasa teo tao amin’ny Hotel Diamant.

Fanao isan-taona ity hetsika ity, fotoana hifampiarabana sy hiaonana amin’ireo mpikambana eo anivon’ny FIOVA ary natao hiresahana ny ho avy sy tombanezaka ny zava bita nandritra taona lasa. Tsiahivina fa ny FIOVA no tompomarika amin’ny « Vitrine du Vakinankaratra » hetsika ara toe-karena isan’ny goavana indrindra eto amin’ny faritra Vakinankaratra, manome lanja ny orinasa eto amin’ny faritra sy ny zavatra vokariny ary mampafantatra ny fisiany amin’ny alalan’ny fampiratiana sy hetsika maro samihafa.

Isan’ny nahazo fanasana manokana tamin’ity lanonana ity ny tale misahana ny birao fandraisana fitarainana eo anivon’ny fiadidina ny repoblika Rakotomanana Richardson, notronon’ireo talem-paritra isan-tsokajiny sy ny governoran’ny faritra.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici