Handray fepetra avy hatrany amin’ireo Bajaj miasa eto Antsirabe sy ny manodidina ny ivo-toerana fitsarana fiara-kodia . Io mantsy no tsikatry ny lehiben’ny ivo-toerana vaovao voatendry hiasa eto vao nigadona teto ny tenany raha ny filazany. Hanohy ny ezaka tsara efa vitan’ny teo aloha aho hoy ny GPC Randriamitovo Andrianaraniaina Davidson lehiben’ny ivo-toerana vaovao voatendry hisolo ny GPHC Randriamiaramandimby André Noëla.
Efa taona sy iray volana no nitantanan’ity farany ny ivo-toerana teto Antsirabe, maro ny asa vita hoy ny tenany ,na dia tsy vita 100% aza izany. Isan’ny mampitaraina ny voahoaka ny tsy fanarahandalan’ireo taxi-be . Voamarika ihany koa ny faharatsian’ny taxi-brousse mpitatitra Betafo-Antsirabe satria sady efa tranainy loatra ny no tsy tomombana ny fiara. Efa nisy ny fifampidinihina tamin’ireo tompon’ny fiara raha ny nambaran’ny lehiben’ny ivo-toerana teo aloha fa antony iray tsy maha ara dalàna ny fiara ny fiakaran’ny vidin’ny kojakoja ilain’ny fiara, ny fiakaran’ny vidin-tsolika ary indrindra ny faharatsian’ny lalana Betafo-Antsirabe.
Paikady nentin’ny teo anivon’ny fitsarana fiara kodia kosa ny tsy fanasaziana avy hatrany fa nianga tamin’ny fandresen-dahatra, fitazaina , ary ny fampianarana. Rehefa nazava tamin’ireo tompon’ny fiara ny tombontsoa azony sy ho an’ny olona hoentiny dia resy lahatra ihany izy ireo hiditra amin’ny ara dalàna fa nisy kosa anefa ireo niharan’ny sazy avy hatrany noho ny hamafisan-doha.
Tontosa ny faraparan’ny herinandro lasa teo ny fifamindram-pitantanana teo amin’izy roa lahy.
Andry N




