Kaominina 11 eto Vakinankaratra no hisitraka ny “FER” na tahirim-bola ho an’ny fikojakojana ny lalana. Ireo kaominina ireo no nahafeno ny fepetra notakiana hatreto ka izy ireo no hisantatra izany. Fantatra fa 100 tapitrisa ariary ny vola natokana hikojakojana ireo kaominina hita fa tena ratsy lalana indrindra eto Vakinankaratra ka ny sampandraharaha misahana ny lafiny ara teknika eny anivon’ny kaominina no hisahana ny tolotra sy fanaraha-maso ny asa. Ny “DRTP” na foibem-paritry ny asa vaventy kosa no hiandraikitra ny lafiny ara teknika rehetra. Tao amin’ny biraon’ny faritra no nanaovana ny fanaovan-tsonia ny fifanekem-piaraha-miasa tamin’ny kaominina sy ny mpandraharaha nahazo ny tolo-barotra ny herinandro lasa teo. Nitarika ity fotoana ity ny lehiben’ny kabinetran’ny faritra sy ny tale miadidiy ny fampandrosoana ary ny talem-paritry ny asa vaventy eto Vakinankaratra. Nambara fa ampahany voalohany izao fanombohana izao ho an’ireo kaominina 11 ireo. Marihina fa isan’ny tafiditra amin’ireo kaominina 11 ireo ny kaominina Antsirabe ambonivohitra izay efa tena mampiteny ny moana tokoa raha ny faharatsian’ny lalana. Azo iatrehana ny faharatsian’ny lalana amin’izao fanombohan’ny vanim-potoan’ny fahavaratra izao ny “FER” . Vonjy poritra ihany anefa izany fa ny fahavitany tsara sy ny fahatezany no tena ilain’ny vahoaka.
Andry N.